Mozilmana

Ny Mozilmana na Miozolmana na Mpino silamo na Silamo dia olona manaraka ny finoana silamo, mino Andriamanitra tokana, dia i Allah, ary mihevitra ny Kor'any ho hafatra ara-bakitenin' Andriamanitra nambara tamin' ny mpaminany Mohamady tamin' ny alalan' ny arkanjely Gabriela (Jibrîl). Ny finoan' ny Mozilmana dia mifototra amin’ ny andry enina: ny finoana an’ i Allah ho Andriamanitra tokana, ny finoana ny anjeliny, ny finoana ny bokiny, ny finoana ny mpaminany sy irany, ary ny finoana ny fitsarana farany; finoana ny lahatra (al-qadar), na tsara na ratsy. Fanampin' izany, ny Mozilmana dia tsy maintsy mitandrina adidy ara-pivavahana dimy: ny shahada (fanambaràm-pinoana), ny salat (vavaka dimy isan' andro), ny saum (fifadian-kanina mandritra ny volana Ramadany), ny zakat (asa fiantrana ara-dalàna), ary ny hajj (fivahinianana masina any Meka). Ny teny hoe "Mosilmana" dia avy amin' ny teny arabo مُسْلِم / Muslim izay midika hoe "izay mankato" ny sitrapon' Andriamanitra.

Amin' ny isany izay tombanna ho 2 lavitrisa, ny Mozilmana dia manodidina ny 26 % amin' ny fitambaran' ny mponina eran-tany. Amin' ny filaharana midina, ny isan-jaton' ny olona milaza ho Mozilmana isaky ny kôntinanta dia izao: 45 % aty Afrika, 25 % any Azia sy Ôseania, 6 % any Eorôpa, ary 1% any Amerika. Fanampin' izany, any amin' ny faritra jeôgrafika, ny tarehimarika dia izao: 91 % any Atsinanana Afovoany sy Afrika Avaratra, 90 % any Azia Afovoany, 65 % any Kaokazy, 42 % any Azia Atsimo-Atsinanana, 32 % any Azia Atsimo, ary 42 % aty Afrika atsimon' i Sahara.