Amerika Atsimo

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Sarin'ny bolantany maneho ny toerana misy an'i Amerika Atsimo

I Amerika Atsimo dia kôntinenta na zana-kontinenta sady ampahany atsimo amin'i Amerika. Ao amin'ny ila-bolantany andrefana tanteraka, ary indrindra ao amin'ny ila-bolantany atsimo no miosy azy. Ny Oseana Pasifika no mamaritra azy ao andrefana, ny Oseana Atlantika no ao avarany sy ao atsinanany. I Amerika Afovoany, izay mampitohy azy amin'i Amerika Avaratra, sy ireo nosy Karaiba dia ao avaratra-andrefany. Ny fiteny portogey sy ny fiteny espaniola no fitenin'ny olona maro indrindra ao Amerika Atsimo.

Manana velaran-tany mirefy 17 840 000 km2 i Amerika Atsimo, ka 11,9%n'ny velaran-tany tsy rakotry ny ranomasina eto amn'ny Tany izany. Tamin'ny taona 2015 dia nisy mponina miisa 410 tapitrisa, izay atao hoe Amerika Tatsimo, ny ao Amerika Atsimo. Kontinenta fahaefatra i Amerika Atsimo raha ny velaran-tany no heverina, ka i Azia sy i Afrika ary i Amerika Avaratra no eo alohany. Laharana fahadimy izy amin'ny isan'ny mponina ka i Azia sy i Afrika sy i Eoropa ary i Amerika Avaratra no eo alohany.

Misy firenena mahaleo tena miisa 12 ny ao Amerika Atsimo, dia i Arjentina, i Bolivia, i Brezila, i Silý, i Kolombia, i Ekoadora, i Goiana, i Paragoay, i Però, i Sorinama, i Orogoay ary i Venezoela. Misy faritanim-pirenana hafa koa ao toa ireo nosy Maloina (Fanjakana Mitambatra) sy i Goiana Frantsay ary i Jeorjia sy ireo Nosy Sandwich (Fanjakana Mitambatra).

Firenena ao Amerika Atsimo[hanova | hanova ny fango]

Fiteny ao Amerika Atsimo[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny ao Amerika Atsimo dia fiteny maro isan-karazany, ka isan' izany ireo fiteny amerindiana ao Amerika Atsimo izay mahatrara 600 isa any ho any, voatsinjara ao amin' ny fianakaviam-piteny 118. ahitana fiteny miisa 32, ohatra, ny ao Bôlivia izay voantsinjara ao amin' ny fianakaviam-piteny 15, sady ahitana fiteny manirery miisa enina. Ahitana fiteny miisa 68 ny ao Kôlômbia izay mitsinjara amin' ny fianakaviam-piteny miisa 13, ka ny 10 dia fiteny manirery. Misy anefa ny fifangarihan' ny zava-misy eo amin' ireo fiteny lehibe (andina sy goarany) sy ireo fiteny madinika amazôniana. Tenenin' ny mponina ao koa ireo fiteny nampidirina tamin' ny vanimpotoan' ny fanjanahan-tany sy ny fiteny nentin' ny mpifindra monina ary ny fiteny kreôly niforona taty aoriana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo kôntinenta[hanova | hanova ny fango]

Faritra ao Amerika[hanova | hanova ny fango]