Amerika

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

I Amerika dia anisan'ny kaontinenta dimy, ny ranomasina mamaritra azy dia ny ranomasimbe Pasifika any andrefany, ny ranomasimbe Atlantika any atsinanany, ny ranomasimbe Arktika any avarany ary ny ranomasimbe Atsimo any atsimony. Ny faritany tena misongadina dia i Amerika Avaratra ary Amerika Atsimo. Ireo faritany roa ireo dia voasaraky ny isman'i Panama.

Amin'ny lafiny ara-jeografia, ny velarantaniny dia 42 tapitrisa km2 ary ny isan'ny mponina dia 930 tapitrisa eo ho eo araka ny fanakekezana natao tamin'ny taona 2009.

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

I Amerika Avaratra avy amin'ny farany avaratra hatramin'ny farany atsimo dia mirefy 5 arivo sy iray alina kilometatra. Raha isaina avokoa ny velarantany manontolon'i Amerika Avaratra ary ny velarantany manontolon'i Amerika Atsimo dia kaontinenta faharoa lehibe indrindra eto an-Tany i Amerika (velarantany manontolo: 42,44 tapitrisa km²). Avy amin'ny lafiny andrefana hatrany amin'ny lafiny atsinanana dia ahitana karazan' endri-paritra telo :

  • Ny morontsiraka andrefana dia ahitana tendrombohitra avo (mahatakatra hatrany amin'ny 6 959 metatra ny tendrombohitra Aconcagua): ao Amerika Atsimo no ahitana ny tangorombohitra lava indrindra ivelan-dranomasina (6 000 km ny avy any atsimo mianavaratra).
  • Eo amin'ny morontsraka atsinanana indray no ahitana tany lemaka. Misy ihany ny tendrombohitra anefa ny haavony dia tsy mihoatra ny telo arivo metatra mihitsy; ohatra izao ny tangorombohitr'i Appalaches any Avaratra, na ny tany avo brazilianina any Atsimo.
  • Ny faritra afovoan'ny kaontinenta amerikanina roa indray dia ahitana na tany lemaka (eo amin'ny faritra afovoan'ny Amerika Avaratra), na alabe rehefa manakaiky ny Fehibe (alan'i Amazonia, any Amerika Atsimo). Ny toerana misy an'ireo tany lemaka ary alabe ireo dia tany lemaka ambany haavo ikambanan'ny renirano (bassin).

Ny mponina[hanova | hanova ny fango]

Ny isan'ny mponin'i Amerika dia marikitra ny 930 tapitrisa eo tamin'ny 2009. Ny isan'ny mponiny amin'izao fotoana izao dia in-jaton'ny isan'ny mponiny vao zato taona lasa izay. Izy io dia noho ny fifindra-monina ary ny fitomboan'ny isan'ny mponina ao amin'ny faritra Atsimon'i Amerika ary eo amin'ny faritra Karaiba.

Ny toerana ipetrahan'ny ankapoben'ny mponina ao Amerika dia ireo tanàna eo amin'ny faritra amorontsiraka, ahitana ny tanàna lehibe indrindra eto an-tany (São Paolo, Rio de Janeiro, Buenos Aires, na New York, Boston, Los Angeles...)

Ny mponina tonga voalohany tao Amerika, izay antsoina hoe "Teratanin'i Amerika" na Amerindianina dia miisa eo amin'ny dimampolo tapitrisa eo ho eo. Izany hoe mahery kelin'ny 5% ny isan'ny mponina manontolo. Ny teny tenenina indrindra ao Amerika dia teny eoropeanina avokoa. Ny fiteny amerindianina be mpiteny indrindra dia ny fiteny kitsoà (frantsay / anglisy / espaniola: quechua) izay arahin'ny fiteny nahoatla.


Amerika
Amerika - Eoropa - Afrika - Azia - Oseania - Antartika