Aller au contenu

Antarktika

Avy amin'i Wikipedia
Antarktika
I Antarktika sy ny kôntinenta hafa
I Antarktika sy ny tany manodidina azy

I Antarktika dia ny tendrotany atsimo amin' ny Tany sy ny manodidina azy, ary ny kôntinenta misy io tendrontany io, izay manana velarana 14 tapitrisa km2. Mbola kely noho i Azia, i Afrika na i Amerika ny habeny; i Eoropa sy i Oseania ihany no kely noho izy. Ny 98 % amin' ny velarany dia ranomandry manana hatevina 1 600 m, izay no tsy ahafantarana ny endriky ny ambanitaniny, fantatra fotsiny ankehitriny fa misy tandavan-tendrombohitra sy farihy ambanin-dranomandry ny ao, ohatra ny farihy Gamburtsev.

Kôntinenta mangatsiaka sy maina ary be rivotra indrindra eto an-tany i Antarktika; maina satria latsaky ny 200 mm ny rotsak' orana eo amin' ny morontsiraka (ary mbola latsak' izany ny rotsak' orana any amin' ny faritra afovoany).

Tsy misy mponina tera-tany i Antarktika ary mpahay siansa ny ankamaroan' ireo izay mipetraka any amin' izao fotoana izao. Zavamaniry mahazaka hatsiaka sy haizaina ary hamaina ihany no miaina any miaraka amin' ny karazam-borona sy trondro ary biby mampinono ihany no any.

Ny teny hoe Antarktika dia avy amin' ny teny grika ἀνταρκτικός / antartikós, izay midika hoe "mifanohitra amin' i Arktika". Tamin' ny taona 1820 ilay kôntinenta no hita voalohany ary ny tafika rosiana nentin' i Mikhaïl Lazarev sy i Fabian Gottlieb von Bellingshausen no nahita azy. Tsy dia nahaliana olona firy ilay kôntinenta noho ny tsy fisian' ny harena an-kibon' ny tany sy ny tontolo tsy azo iainana any aminy ary ny fitokana-moniny.

Araka ny fifanekena momba an' i Antarktika nosoniavin' ny firenena roa ambin' ny folo tamin' ny taona 1959 sy narahin' ny fifanekena natao tao Madrid tamin' ny taona 1991 dia manana sata manokana i Antarktika: tsy azo anaovana hetsika ara-miaramila any, sady tsy azo alaina ny harena an-kibon' ny tany raha tsy momba ny fikarohana ara-tsiansa no tanjony.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Ny kôntinenta

[hanova | hanova ny fango]

Fitambarana kôntinenta