Tendrotany

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche

Ny tendrotany dia ny tampony roa, atsimo sy avaratra, amin' ny bolantany, tendron' ilay teza heverina fa ihodinan' ny tany.

Ireo tendrontany roa[hanova | hanova ny fango]

Tendrontany avaratra[hanova | hanova ny fango]

Ny tendrontany avaratra dia toerana ara-jeôgrafia any avaratra indrindra eto an-tany, any ampovoan' ny ranomasimbe Arktika. Eo anelanelan' ny -43 °C sy 0 °C ny hatsiaka any amin' ny tendrontany avaratra, izay no mampisy ny ranomandry lalandava any amin' ny tendrontany.

Tendrontany atsimo[hanova | hanova ny fango]

Ny tendrontany atsimo dia ny teboka farany atsimo indrindra eto amin' ny Tany. Ao amin' ny kôntinenta Antarktika no misy azy. Io no teboka ihaonan' ny laharan-jara hasina rehetra any atsimo indrindra.

Ny toetanin-tendrontany[hanova | hanova ny fango]

Ny faritra misy ny toetanin-tendrontany dia eo anelanelan’ ny faribolan-tendrontany sy ny tendrontany. Tsy dia misy firy ny rotsak’ orana ary ny maripana dia ambany dia ambany, mahalana raha hihoatra ny 0 °C. Rakotra ranomandry mandrakariva ireo faritra ireo. Rakotra ranomandry i Arktika izay ahitana an’ i Goenlandy sy i Siberia any avaratra. Toraka izany koa i Antarktika any atsimo, izay efa nahitana hatsiaka mahatratra -88 °C. Mety mahatratra 3 000 m ny hatevin’ ny ranomandry amin’ izany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]