Wikipedia:Tonga soa

Avy amin'i Wikipedia

TONGA SOA !

Tonga soa eto amin'i Wikipedia, raki-pahalalàna malalaka azon'ny tsirairay ovaina.

Misaotra anao izahay mamaky ary manova ity raki-pahalalana malalaka ity.

Raha maika handray anjara ianao, dia vakio ny pejy Ahoana no manao takelaka. Raha te-handray anjara eto foana ianao, tsara vakianao ihany ity fampidirana ity.


Eto koa ny fanoroana sy ny mpandrindra raha mila fanampiana ianao.



Amin'ny fiteny hafa : Bahasa Indonesia · English · Français

Fampidirana

Momba ny takelaka,

Afaka ovain'ny « mpitsidika » ny ankabeazan'ny pejy eto amin'ny wikipedia, ary io ny foto-pandehanany. Afaka ovain'ny mpitsidika daholo ny pejy mba hanatsara azy. Na dia tsy nanokatra kaonty teto aza. Afaka mampiasa ny Kianjam-pasika ianao rehefa manandrana ny syntaxe wiki na mampiasa ny pejinao. (antsipirihany ... )

Momba ny fitsipika

Ny wikipedia dia raki-pahalalàna, ny zavatra nosoratanao teto amin'ny wikipedia teto dia afaka ovaina sy zarain'ny mpitsidika sy ny mpikambana ato am-pahalalahana (araka ny lisansa GNU-FDL). Raha tsy tianao ovaina sy ho zaraina am-pahalalahana ny takelaka nosoratanao tato, dia aza ampidirina ato ilay izy.

Ny wikipedia dia tsy raki-bolana, misy tetikasa wikimedia ho an'ny raki-bolana : ny Wiktionary ((mg)).

(antsipirihany ... )

Momba ny kaonty

Azo atao no manokatra kaonty eto amin'ny wikipedia, ny zavatra tokony fenoinao dia ny tenimiafina sy ny solonanarana. Sarotra ny manova anarana kaonty, ary tsy mety atao ny mamafa kaonty efa nosokafana.
Metimety kokoa ny manokatra kaonty : afaka lasa mpandrindra, borôkraty na mpiambon'ny wikipedia malagasy ohatra ianao, zavatra tsy afaka ataonao raha mandray anjara amban'ny adiresy IP. Sady ny solonanarana manasitrika ny adiresy IP-nao. (antsipirihany...)