Wikipedia:Vaovao

Avy amin'i Wikipedia

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]



29 Aprily 2016[hanova ny fango]

Lozam-pifamoivozana teny amin’ny Digue sy tany Mahitsy Antananarivo : 12 no maty, 37 naratra mafy

Nanoloana izany, dia nitsidika tao amin’ny hopitaly HJRA (Hopital Joseph Ravoahangy Andrianavalona) an'ireo niharam-boina ny filoha Malagasy ‪Hery ‎Rajaonarimampianina‬ ny alin'io ihany: nankahery ireo naratra sy naneho ny fiaraha-miory tamin’ireo fianakaviana namoy havana.

Baiko hentitra no nomen'ny filoha ny tompon’andraikitra rehetra mba hanamafy ny fampiharana ny lalàna sy ny fitsipiky ny fifamoivozana, hampihatra tsy misy indrafo ny famaizana amin’izay mihoa-pefy sy tsy manara-dalàna, ary hanaramaso akaiky ny fanomezana alàlana hamily fiara, indrindra eo amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka.

Niantso ireo mpitatitra ihany koa izy mba ho matihanina ny mpamily ampiasaina satria ain’olona no lalaovin’ireo manao kitoatoa amin’ny asany. Asiana sampan’ny BIANCO koa, hoy ny filoha, eny amin’ireo toby fitsirihana ara-teknika mba tsy ho nohon’ny kolikoly no ahazoana alàlana, kanefa hitera-doza satria tsy tomombana ny fiara.[1]


Vaovao efa lasa[hanova ny fango]

  • Voatendry ny Praiministra vaovao

Nampahafantarin'ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika io takariva io teny amin'ny lapan'Iavoloha, ny Didim-panjakana laharana faha-2016-250, izay nanendren’ny Filoham-pirenena an Atoa MAHAFALY Solonandrasana Olivier ho Praiministra sady Lehiben’ny Governemanta. Mandra-pitsangan’ny Governemanta vaovao dia iantohan’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta amperinasa ny fampandehanan-draharaha andavanandro.

  • Fifamindram-pahefana : tontosa androany maraina

Androany maraina no nandray ny andraikiny teny amin’ny lapan’I Mahazoarivo ny Praiministra vaovao Mahafaly Olivier. Nambarany fa hitsangana haingana ny governemanta izay hotarihiny, ekipa hiray hina sy hiombom-bina amin’ny ady amin’ny fahantrana sy ny ho fihatsaram-pianina amin’ny lafiny rehetra ho an’ny mpiray taninfrazana. Ho takiana amin’ireo ministra ny vokatra misy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka, hoy izy.

Ny pejy hafa ahitana vaovao[hanova ny fango]

Vaovao eto amin'i Wikimedia

4 martsa 2016 15 ora takariva wikipédia eto Mahajanga[hanova ny fango]

Ampitapitao : takariva iray atokana ho an'ny rehetra liana hianatra Wikipédia : fanaovana lahatsoratra, fanokafan-pejy vaovao : Wikipédia Mois_de_la_contribution/Mahajanga--Zanatan (resaka) 14 Febroary 2016 à 12:10 (UTC)[répondre]

Closure of Malagasy Wikibooks[hanova ny fango]

Hi, Malagasy Wikibooks is going proposed to be closed. For more information go to Meta Wiki. --Doostdar (resaka) 20 Febroary 2018 à 13:24 (UTC)[répondre]

Edited. StevenJ81 (resaka) 21 Febroary 2018 à 22:53 (UTC)[répondre]

Loharano[hanova ny fango]