Hankany amin'ny vontoatiny

Governemanta

Avy amin'i Wikipedia

Ny governemanta, amin'ny ankapobeny, dia andrim-panjakana itambaran'ny manam-pahefana mitondra sy manara-maso ary mandraharaha ny raharaham-panjakana ao amin'ny firenena iray, sady manana ny fahefana mpanatanteraka. Atao hoe minisitra na sekreteram-panjakana ny mpikambana ao amin' ny governemanta.

Avy amin' ny teny grika hoe κυβερνάω / kubernaô, izay midika hoe "mitondra", "mitazona ny familian-tsambo", ny teny hoe governemanta.

Ny governemanta[1] no manapaka sy manatanteraka ny asa aman-tao ilaina amin'ny fitondrana ny firenena. Tompon'andraikitra manoloana ny olom-pirenena izay soloan'ny Antenimiera tena, na manoloana ny filohan'ny Repoblika izy, arakaraka ny karazana fitondram-panjakana misy eo amin'ny firenena.

Amin'ny siansa sôsialy, ny teny hoe governemanta dia fiantsoana izay rafitra mitondra firenena na fikambanana iray. Ny governemanta no mandrindra ny firenena.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. https://mg.globalvoices.org/2022/12/27/161697/