Fahefana mpanao lalàna

Avy amin'i Wikipedia

Ny fahefana mpanao lalàna, ao amin' ny tepôrian' ny fisaraham-pahefana ampiharina ankehitriny amin' ny fitondrana demôkratika, dia iray amin' ny fahefana telo mandrafitra ny Fanjakana, miaraka amin' ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpitsara ao amin' ny firenena na fari-tany na vondrom-pirenena iray.

Amin' ny ankapobeny, ny fahefana mpanao lalàna dia tompon' andraikitra amin' ny fankatoavana ny lalàna sy ny tetibolam-panjakana (amin' ny alalan' ny fanaovana latsabato) sy ny fanaraha-maso ny fanatanterahana izany. Ny fahefana mpanao lalàna dia afaka mandinika sy manome todika hafa ny fomba fitantanan-draharahan' ny governemanta, amin' ny alalanan' ny fahefana hanitsy ny tetibola anatanterahana izany. Andraikitra manampy izany rehetra izany, arakaraka ny firenena, ny fanaraha-maso ny asan' ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpitsara. Matetika dia miseho amin' ny endrika Antenimiera izany ny fahefana mpanao lalàna.

Ny mpikambana ao amin' ny fahefana mpanao lalàna dia antsoina hoe mpanao lalàna. Ao amin' ny demôkrasia, ny mpanao lalàna dia fidin' ny vahoaka afaka mlifidy, na dia ampiasaina ihany koa ny fifidianana tsy mivantana (ataon' ny mpifidy vaventy) sy ny fanendrena ataon' ny mpanatanteraka, indrindra ao amin' ny firenena ahitana Antenimiera roa.

Ny mpanao lalàna dia fantatra amin' ny anarana hoe Antenimiera, Filankevitra, Kôngresy, sy ny maro hafa, arakaraka ny firenena.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]