Hankany amin'ny vontoatiny

Fahefana mpanatanteraka

Avy amin'i Wikipedia
  • Ny fahefana mpanatanteraka dia iray amin'ireo fahefana telo, miaraka amin'ny fahefana mpanao lalàna sy ny fahefana mpitsara, mandrafitra ny fanjakana ao anatin'ny rafitra demôkratika manaja ny fisaraham-pahefana. Izy no tompon' andraikitra amin' ny fitantanana ny pôlitikam-panjakana sy miantoka ny fampiharana ny lalàna novolavolain'ny fahefana mpanao lalàna[1]. Ao amin' ny rafitra parlemantera, roa loha ny fahefana mpanatanteraka, izay ahitana ny filoham-panjakana (ny filohan'ny Repoblijka na ny mpanjaka izany, toy ny an' ny Fanjakana Mitambatra na ny an' i Soeda) sy ny Governemanta, izay avangongo ao amin' ny lehiben' ny Govenremanta any amin'ny firenena sasany (ny praiminisitra any Italia, ny Bundeskanzler na Chancelier any Alemaina). +
  • Amin' ny fitondrana anjakan'ny filoham-pirenena dia tokan-doha ny fahefana mpanatanteraka, ka ny filoham-panjakana no mampiasa izany fahefana izany, ary ny sisa amin'ny fitondram-panjakana dia eo ambany fahefany (ohatra ny an'i Rosia). Any Etazonia, izay repoblika federaly anjakan' ny filoham-pirenena nefa mandray ny fitondram-panjakana roa loha dia an'ny filoham-pirenena sy ny filoha lefitra ny fahefana mpanatanteraka . Ny fahefana feno dia eo am-pelatanan'ny mpanjaka na ny mpitondra jadona any amin' ny fitondra-mpanjaka tsy refesi-mandidy (ohatra ny Papa any Vatikàna) na ny fitondrana jadona (ohatra ny fitondran'i Vichy tany Frantsa). Ny fanapahan-kevitry ny fahefana mpanatanteraka dia ahitana indrindra ny didim-panjakana sy ny didy hitsivolana ary ny didim-pitondrana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. https://mg.globalvoices.org/2014/05/15/59737/