Hankany amin'ny vontoatiny

Antenimiera

Avy amin'i Wikipedia

Ankapobeny

[hanova | hanova ny fango]

Misy endrika roa ny Parlemanta[1]: ny Parlemanta tsy ahitana afa-tsy ny Antenimieram-pirenena sy ny Parlemanta ahitana miaraka ny Antenimiaram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona.

Ny mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena dia lanina amin'ny fifidianana andraisan'ny olom-pirenena mpifidy rehetra anjara mivantana araka ny rafi-pifidianana izay miovaova arakaraka ny firenana na ny fanjakana. Ny fifidianana ny mpikambana ao amin' ny Antenimieran-doholona kosa dia mety miovaova arakaraka ny firenena na ny fanjakana, ka ho an' ny sasany dia ny olom-pirenena afaka mifidy no mifidy azy ireo, fa ho an' ny hafa kosa dia fidin' ny mpifidy vaventy. Antsoina hoe solombavambahoaka ny mpikambana ao amin' ny Antenimieram-pirenena fa loholona kosa ny ao amin' ny Antenimieran-doholona.

Ny Parlemanta[2] dia mandinika ny volavolan-dalàna na ny tolo-dalàna sy manao latsa-bato hifidiana izany ho lalàna; any amin' ny firenena sasany sy ao anatin' ny fepetra sasany dia tsy maintsy akana ny hevitry ny olom-pirenena ny lalàna voafidy vao afaka manan-kery; any amin' ny firenena hafa dia ny lehiben' ny mpanatanteraka (ny filohan' ny Repoblika matetika) no tsy maintsy manao sonia ny lalàna lanin' ny Antenimiera vao izay azo ampiharana. Ny Governemanta, izay afaka mandray anjara amin' ny famolavolana ny lalàna indraindray, no mampihatra izany amin' ny maha fahefana mpanatanteraka azy.

Etsy andanin' izay, afaka manara-maso ny asan' ny Governemanta ny Parlemanta: azony atao ny manongana azy, azony atao ny manontany azy mandritra ny fivoriana; azony atao ny manao fanadihadiana; mandatsa-bato handaniana ny tetibola izy ary afaka manara-maso ny fampiasana izany teti-bola izany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. https://mg.globalvoices.org/2024/07/12/170518/
  2. https://mg.globalvoices.org/2017/04/20/98441/