Federalisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny federalisma dia rafi-pandaminana ara-pôlitika, ara-pitantanan-draharaha ary ara-pitondrana izay andaminana ny Fanjakana ho federasiôna ary mizara amin' ny Fanjakana mpikamban' ny federasiôna ny fahefana isan-karazany omen' ny lalàm-panorenana: fahefana mpanao lalàna, fahefana mpitsara ary fahefana mpitantanan-draharaha (ohatra amin' izany i Alemaina, i Aostralia, i Arjentina, i Belzika, i Bôsnia-Herzegôvina, i Brezila, ny Emirata Arabo Mitambatra, i Etazonia, i India, i Kanada, i Kômôro, i Malezia, i Meksika, i Mikrônezia, i Nepaly, i Nijeria, i Pakistàna, i Rosia, ary i Soisa, izay samy manana ny fadraisany ny atao hoe "federalisma").

Raha mikasika ny endriky ny fandaminana ny Fanjakana dia mifanohitra amin' ny Fanjakana tokana ny federalisma. Misy noho izany ny fisaraham-pahefana eo amin' ireo Fanjakana mpikambana sy ny Fanjakana federaly, araka ny fomba fiasa faritan' ny lalàm-panorenana federaly. Ny federasiôna dia mety hateraky ny ny fifanatonan' ny Fanjakana maromaro mahaleo tena ao anatin' ny Fanjakana federaly iray na vokatry ny fisarahan' ny Fanjakana tokana ho fanjakana maromaro mizaka tena. Ny ambaratonga roa aterak' izany dia mamaritra fankatoavana karazay roa ho an' ny olom-pirenena: ny voalohany momba ny federasiôna, ny faharoa momba ny Fanjakana mpikambana, araka ny fanazavan' ny manam-pahaizana amerikana tamin' ny niandohan' ny hevitra môderina momba ny federalisma toa an' i Alexander Hamilton, izay nisakana ny fihoarana ny dôgman' ny maha tokana ranoray tanteraka ny Fanjakana, dôgma izay mbola manan-kery amin' ireo Fanjakana tokana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]