Fanapariaham-pahefana
Ny fanapariaham-pahefana dia fomba fandaminana ny fitantanan-draharaha izay ahitana fizaràna ny mpiasa sy ny fahaiza-manao avy amin' ny fitantanana foibe mankany amin' ny sampan-draharahany. Ity fanapariaham-pahefana ity dia zaraina araka ny sarintanim-pitantananan-draharaha, izay mamaritra ny solontenan' ny fitantanan-draharaham-panjakana eny ifotony. Ny fanapariaham-pahefana dia mifanohitra amin' ny fampivangongoam-pahefana izay rafitra ara-pitantanana ifantohan' ny fandraisana ny fanapahan-kevitra rehetra eo amin' ny fanjakana foibe.
Miavaka amin' ny fitsinjaram-pahefana ny fanapariaham-pahefana satria rafitra famindrana fahefana midina amin' ny ambaratonga ambany ao anatiny, izay tsy manana ny satan' ny fikambanana ara-dalàna, ny fanapariaham-pahefana; ny fitsinjaram-pahefana kosa dia mamindra fahefana amin' ny vondrom-paritra manana ny sata maha vondrona na fikambanana ara-dalàna azy. Noho izany dia mahakasika bebe kokoa ny asan' ny mpanatanteraka sy ny mpitantan-draharaha ny fanapariaham-pahefana, ary mahakasika bebe kokoa ny asan' ny mpanao lalàna ny fitsinjaram-pahefana. Tsy mifanipaka anefa ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanapariaham-pahefana.
Fanitsiana ny fampivangongoam-pahefana ny fanaparihm-pahefana dia: ahafaha-mampihena ny fahatarana sy ny fahasahiranana mifandray amin' ny adidy amin' ny rafitra foibe rehetra - izay miandry ny fanapahan-kevitry ny ambaratonga ambony indrindra - ny fanapariham-pahefana. Ny asany araka izany dia ny fanamaivanana ny fitantanan-draharaha foibe amin' ny alalan' ny famelana azy handray fanapahan-kevitra eo amin' ny sehatra eo an-toerana, araka ny hita taratra amin' ny fanoharan' i Odilon Barrot hoe "Iny tantanana iray iny ihany no mamely fa nohafohezina ny tahony" na ilay fehezantenin' i Napoleon III hoe "Tsara ny fanapahana raha lavitra fa tsara kokoa ny fitantanana raha akaiky.
Misy karazany roa ny fanapariaham-pahefana ara-pitantanana: ny fanapariaham-pahefam-paritra sy ny fanapariaham-pahefana araka anjara asa.