Nizeria
| Federal Republic of Nigeria ((en)) | |||||
| Jamhuriyar Taraiyar Nijeriya ha | |||||
| Njíkötá Óchíchìiwù Naíjíríà ig | |||||
| Àpapọ̀ Olómìnira ilẹ̀ Nàìjíríà yo | |||||
| Repoblika Federalin'i Nizeria ((mg)) | |||||
|
|||||
| Teny filamatra : Unity and Faith, Peace and Progress (Firaisana, Finoana, Fandriam-pahalemana ary Fivoarana) |
|||||
| Teny ofisialy | Anglisy |
||||
| Renivohitra | Abuja 9°10′N 7°10′E / 9.167°N 7.167°E |
||||
| Tanàna lehibe indrindra | Lagos | ||||
| Fitondrana sy governemanta - Filoha - Filoha andefitra |
Repoblika Fedelady Muhammadu Buhari Yemi Osinbajo |
||||
| Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 32 923 768 km² 1,4 % |
||||
| Isam-ponina - Tontaliny (2012) - hakitroka |
faha 7 170 123 740 mpo. 184.2 mpo./km² {{{1}}} |
||||
| Anaran'ny mponina | Nizerianina | ||||
| IDH (2011) | midina 0,448 (ambany) faha-142 | ||||
| Sandam-bola | Naira (NGN) |
||||
| Fiozao ny ora | UTC +1 | ||||
| Hiram-pirenena | Arise Oh Compatriots, Nigeria's Call Obey |
||||
| Valan-tsehatra internet | |||||
| Antso an-tariby |
+234 |
||||
Nizeria, Nijeria (amin'ny fiteny anglisy : Nigeria) izany hoe Repoblika Federalin'i Nizeria (amin'ny teny anglisy Federal Republic of Nigeria) dia firenena ao amin'ny faritra afovoan'i Afrika ary firenena be mponina indrindra ao Afrika. Ny isam-poniny tamin'ny toana 2011 dia 162 tapitrisa mponina. Na dia firenena manan-karena aza i Nizeria amin'ny famokarany solintany be dia be, mahantra ny ankamaroan'ny mponina ao amin'ilay firenena. Ny antony mahatonga izay dia fisian'ny kolikoly. Na dia izany aza, firenena faharoa lehibe indrindra ara-toekarena i Nizeria, aorian'i Afrika Atsimo ary eo alohan'i Ejipta. Ny fifidianana izay nitranga tamin'ny taona 2011 no lazain'ny fianankaviambe iraisam-pirenena fa malalaka, ary mangarahara indrindra hatry ny fahaleovantenan'ilay firenena tamin'ny 1960.
Manomboka ny taona 1991, Abuja no renivohitr'i Nizeria. Ny fiteny ofisialy dia ny fiteny anglisy, ireo lazaina fa tenim-pirenena dia ny fiteny yoroba sy ny fiteny igbo ao Atsimo ary ny fiteny haosa izay tenenina any amin'ny faritra avaratr'i Nizeria.
Jeografia[hanova | hanova ny fango]
Ao amin'i helotranon'i Ginea no misy an'i Nizeria. Ny halava manontolon'ny sisintanin'i Nizeria dia 4 047 km ; ary 853 km no halavan'ny amorontsirak'i Nizeria. Ny firenena mizara sisintany amin'i Nizeria dia Kamerona, Nizera ary Tsady.