Lalàmpanorenana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Lalàm-panorenana)

Ny lalàmpanorenana (na lalàm-panorenana) dia karazan-dàlana mirakitra ny fitsipika fototra ametrahana ny fandaminana sy ny fiasan' ny firehena na ny fanjakana na ny fikambanana na ny vondrom-panjakana na vondrom-pirenena iray (ka anisan' ny alamina amin' izany ny fomba fiasa ankapoben' ny governemanta sy ny andrim-panjakana hafa); milaza ny fomba fifidiana ny filoham-pirenena, ny faharetan' ny fijanonany eo amin' ny fitondrana; manondro ny lalàna azo apetraka, ny fotoana ahafahan' ny olona mifidy, ary manambara ny fomba atao raha hanova ny lalàmpanorenana.

Raha voasoratra anaty tahirin-kevitra tokana na anaty andian-tahirin-kevitra ny fitsipika fototra dia azo lazaina fa hita anaty lalàmpanorenana voasoratra ireo tahirin-kevitra ireo. Raha voarakitra anatin' ny tahirin-kevitra iray manontolo ireo fitsipika fototra ireo dia lazaina fa lalàmpanorenana voarindra) ilay lalàmpanorenana. Ny lalàmpanorenan' ny Fanjakana Mitambatra dia ohatra amin' ny lalàmpanorenana tsy voarindra, izay voasoratra ao amin' ny lalàna fototra maro avy amin' ny mpanao lalàna sy avy amin' ny raharaham-pitsarana ary avy amin' ny fifanarahana iraisam-pirenena.

Ny lalàmpanorenana dia mahakasika ambaratongam-pandaminana isan-karazany, manomboka amin' ny firenena manana ny fiandrianany izany ka hatrany amin' ny orinasa sy fikambanana tsy manan-jo hiatrika raharaham-pitsarana. Ny fifanarahana izay mamorona fikambanana iraisam-pirenena ihany koa no lalàmpanorenan' io fikambanana io, satria mamaritra ny fomba nananganana sy nandrafetana ilay fikambanana. Ao anatin' ny fanjakana, ny lalàmpanorenana dia mamaritra ny foto-kevitra iorenan' ny fanjakana, ny fomba fanaovana ny lalàna sy ny olona afaka manao izany. Ny lalàmpanorenana sasany, indrindra fa ny lalàmpanorenana voarindra, dia mametra ny fahefana, amin' ny alalan' ny fametrahana fetra tsy azon' ny mpitondra fanjakana ihoarana, ohatra amin' izany ny zo fototra isan-karazany.

Ny lalàmpanorenan' i India, izay misy voanteny miisa 146 385 amin' ny dikan-teny anglisy, no lalàmpanorenana voasoratra lava indrindra amin' ny firenena rehetra eran-tany, raha ny lalàmpanorenan' i Mônakô, izay misy teny 3 814, no lalàmpanorenana voasoratra fohy indrindra. Ny lalàmpanorenan' i San-Marîno dia mety ho ny lalàmpanorenana voasoratra tranainy indrindra mbola mana-kery eran-tany, satria ny sasany amin' ireo tahirin-kevitra fototra mandrafitra azy dia efa niasa hatramin' ny taona 1600. Ny lalàmpanorenan' i Etazonia no lalàmpanorenana voarindra tranainy indrindra. Manodidina ny 19 taona eo ho eo ny salam-paharetan' ny fananan-kerin' ny lalàmpanorenana iray nanomboka tamin' ny taona 1789.

Miovaova arakaraka ny karazam-pitondram-panjakana ny fahefan' ny lalàmpanorenan' ny fanjakana na firenena iray. Amin' ny ankapobeny dia manana fahefana ambony kokoa noho ny lalàna tsotra ny lalàmpanorenana.

Ny lalàmpanorenana dia sady fanehoan-tsitrapo ara-pôlitika no lalàna fototra mampiray sy mifehy, amin' ny fomba voalamina sy araka ambaratonga, ny fifandraisana rehetra misy eo amin' ny mpitondra sy ny vahoaka entina ao anatin' ny fanjakana na firenena iray, amin' ny maha vondrona ara-pôlitika anaty habaka ara-jeôgrafia sy habaka araka ny maha-olona. Ao amin' ny fanjakana demôkratika dia miaro ny zo sy ny fahalalahan' ny olom-pirenena amin' ny fanararaotam-pahefana mety hataon' ny mpampiasa ny fahefam-panjakana ny lalàmpanorenana.

Ao amin' ny fanjakana federaly, ny fanjakana mizaka tena mikambana ao aminy dia afaka manana ny lalàmpanorenany manokana, toy ny lalàmpanorenan' i California any Etazonia.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Lalampanorenana Alemana
Lalampanorenana Beljianina
Lalampanorenana Kameroney
Lalampanorenana Kanadianina
Lalampanorenana Amerikanina
Lalampanorenana Frantsay

Endrika:Hiérarchie des normes

Lalampanorenana Iranianina
Lalampanorenana Soisa
Lalampanorenana Togoley
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.