Aostralia
Commonwealth of Australia | |||||
{{ {{{langue}}} }} | |||||
Commonwealth an'i Aostralia ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Advance Australia Fair. | |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | fiteny anglisy | ||||
Renivohitra | Canberra 35°15′S 149°08′E / 35.250°S 149.133°E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Sydney | ||||
Fitondrana sy governemanta - {{{titres_dirigeants}}} |
Fanjakana ara-dalampanorenana {{{noms_dirigeants}}} | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 6 7 686 850 km² 1 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2011) - hakitroka |
faha 54 22 607 571[1] mpo. 2,6 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Aostralianina, Aostraliana | ||||
IDH (2010) | (mitombo) 0,937[2] (avo) faharpa | ||||
Sandam-bola | Dollar aostralianina (AUD )
| ||||
Faritr'ora | UTC +8 hatramin'i +11½ | ||||
Hiram-pirenena | Advance Australia Fair | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+61
|
I Aostralia, izay mitondra ihany koa ny anarana hoe Commonwealth an' i Aostralia (amin' ny teny anglisy Commonwealth of Australia) dia firenena ao amin' ny ila-bolantany atsimo. Ao Ôseania, i Aostralia dia ny firenena lehibe indrindra ary be mponina indrindra. Ao amin' ny Commonwealth an' i Aostralia dia ahitana an' i Tasmania ary nosy hafa maro ao amin' ny Ranomasimbe Atsimo sy ny Ranomasimbe Pasifika ary ny Ranomasimbe Indianina. Ny firenena manodidona azy dia i Indônezia, Timor Atsinanana, ary Papoazia Ginea Vao any avaratra, i Nouvelle-Calédonie any avaratra-atsinanana, Zelandy Vaovao any atsimo-atsinanana ary ny Tany frantsain' ny nosy Kerguelen any andrefan' ny nosy aostralianina Heard ary McDonald.
Fiavian' ny anarana hoe Aostralia[hanova | hanova ny fango]
Ny teny hoe Aostralia dia avy amin'ny fiteny anglisy hoe Australia, izay avy amin' ny teny latina hoe Australis ("Atsimo"). Tamin' ny taonjato faharoa, nihevitra ny siantifika latina fa misy kôntinenta tsy fantatra eo amin' ny ilabolantany atsimo (izay manana anarana hoe Terra Australis Incognita) mba tsy hisavilivilian' ny tany noho ny lanjan' ny kôntinenta ao amin' ny ilabolantany avaratra. Ny fampiasana voalohany ny teny hoe Australia (fa tsy Terra Australis intsony) tamin' ny teny anglisy dia tamin' ny 1625 ("A note of Austrlia del Espiritu Sancto"), izay nosoratan'i Master Hakluyt, navoakan' i Samuel Purchas tao amin' ny Hakluytus Posthumus[3]). Ny mpamaritra anarana nerlandey hoe Australische dia nampiasaina tanaty lahatsoratra ôfisialin' ny zanatany holandein' i Indônezia hamaritana ireo tany hita tao atsimon' i Indônezia tamin' ny taona 1638. Navadika teny frantsay ho Australie ilay teny hoe Australia ary ny fampiasana azy voalohany tanaty boky dia tamin' ny taona 1676 tao amin' ny La Terre Australe, tantara noforonina mikasika olona noforonina, izay noforonin'i Gabriel de Foigny[4]. Nampiasain' i Alexander Dalrymple ilay teny tao amin' ny boky An Historical Collection of Voyages and Discoveries in the South Pacific Ocean tamin' ny taona 1771 hanononana ireo tany hita tamin' ny faritra atsimon' ny Ranomasimbe Pasifika. Tamin' ny 1793, namoaka ny boky Zoology and Botany of New Holland i George Kearsley Shaw sy i Sir James Smith ary izao no nosoratany: "Nosy be, na kôntinenta, an'i Aostralia, Aostralazia na Hôlandy Vao"[5]
Tantara[hanova | hanova ny fango]
Efa ho 50 000 taona lasa izay ny olombelona no nipetraka tany Aostrala. Ireo mponina voalohany nipetraka tao Aostralia ireo, izay antsoina ihany koa hoe Abôrijinina, dia tonga tao Aostralia avy tany Indônezia tamin' ny fiampitana ny tanjona maro vokatry ny fitambaran' ny nosin' i Ginea Vao, i Aostralia ary i Ginea Vao.
Fahafantaran' ny Eorôpeana azy voalohany[hanova | hanova ny fango]

I Willem Janszoon no lazaina fa Eorôpeana voalohany indrindra nahita an' i Aostralia tany amin' ny voalohandohan' ny taona 1606. Tonga ary nametraka tongotra teo amin'i Renirano Pennefather eo akaikin'ny tanànan' i Weipa eo amin' i Tanjona York izy. Nofaritiny avy hatrany ny morintsiraka andrefana sy ny morontsiraka avaratra ary i Hôlandy Vaovao no anarana nomeny an' ilay tany vao hitany tamin' ny taonjato faha-17, kanefa izy dia tsy nitondra mponina hapetraka eo amin'i lay tany hozanahana.
Tonga taeo amin' ny morontsiraka avaratra-andrefan' i Hôlandy Vaovao tamin' ny 1668 sy tamin' ny taona 1669 i William Dampier izay mpitety tany anglisy. Tamin' ny 1770, nitety ny morontsiraka atsinanana i James Cook ary nanao ny sarintan' ny morontsiraka izay fantatra ankehitriny amin' ny anarana hoe New South Wales ary nitaky azy ho an' i Britaina Lehibe. Noho ny fahaverezan' ny zanatany amerikanina tamin' ny taona 1780, nandefa andian-tsambo ny governemanta britanika hametrahana zanatany atao fonja ao New South Wales. Ny andian-tsambo voalohany izay nentin' ny kapiteny Arthur Phillip no nirahana nanao izany. Nipetraka ny lasitra ary natsangana tao Sydney Cove, Port Jackson tamin' ny 26 Janoary 1788, daty izay atao ho fetim-pirenena aostrialianina, na dia tsy nambara raha tsy tamin' ny 7 Febroary 1788 aza ny sata maha-zanatany an' i Aostralia. Nahatonga ny fananganana an' i Sydney izay toerana hambolena, hanaovana ny varotra ary ny indostria ilay fiorenam-ponenana voalohany.
Tamin' ny 1803 no nametrahana fonenana britanika tao Van Diemen's Land, izay fantatra amin' ny anarana hoe Tasmania amin' izao fotoana izao. Lasa zanatany britanika manokana ilay tany tamin' ny 1825. Nitaky ny faritra andrefan' i Aostralia andrefana (Zanatanin' i Renirano Swan) ny Britanika tamin' ny 1828. Zanatany hafa no natsangana avy amin' ny New South Wales: Aostralia Atsimo tamin' ny 1836, Victoria tamin' ny 1851, ary Queensland tamin' ny 1859. Nosoronina tamin' ny 1911 ny Tany Avaratra rehefa nesorina tamin' i Aostralia atsimo. Noforonina ho "faritany malalaka" i Aostalia Atsimo - izany hoe tsy zanatany natao ho fonja. Noforonina tsy natao ho fonja ihany i Victoria ary Aostralia Atsimo, fa manaiky ny mitatitra ny voaheloka. Tolona nentin' ny mpanjanatany no nahafarana ny fitaterana ny olona voaheloka ao amin' ny zanatanin' i Victoria, ka tamin' ny 1848 ny sambo feno olona voaheloka farany tonga tao.
Politika[hanova | hanova ny fango]
Toe-karena[hanova | hanova ny fango]
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
Boky[hanova | hanova ny fango]
Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]
- Wikivoyage guide to Australia
- WikiSatellite view of Australia at WikiMapia
- Australian Government Entry Portal
- Commonwealth Government Online
- Department of Immigration and Multicultural Affairs (DIMA)
- Department of Foreign Affairs and Trade (DFAT): Country Information
- Satellite images of Australia (Google Maps)
- National Library of Australia
- National Museum of Australia
- Official Australia Tourism Website
- Bureau of Meteorology
- Australia entry at The World Factbook
![]() |
---|
Faritany mizaka-tena |
Valesa Atsimo Vaovao · Queensland · Aostralia Atsimo · Tasmania · Victoria · Aostralia Andrefana |
Faritany ampitan-dranomasina |
Australian Capital Territory · Jervis Bay Territory · Northern Territories |
Tsiahy[hanova | hanova ny fango]
|