Fijy
I Fijy dia firenena ao Ôseania. Ny renivohiny dia i Suva. Ny tanàna lehibe indrindra dia i Suva. 18 274 km2 ny velarany ary 858,038 ny isan' ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Ny faritr' ora dia +12.
Ity vondronosy ity, izay anisan' i Melanizia, dia 744 km any andrefana-avaratra-andrefan' i Tônga, 788 km atsimo-andrefan' i Wallis-et-Futuna (an' i Frantsa) ary 1 067 km atsimon' i Tovalo (Tuvalu).
Taorian' ny fanonganam-panjakana nataon' i Frank Bainimarama tamin' ny 5 Desambra 2006 sy ny tsy nahavitana ny fifidianana tamin' ny 2009 dia noroahina tsy ho ao amin' ny Commonwealth ilay firenena ary naato tsy ho ao amin' ny Forum an' ireo Nosin' i Pasifika. Ny fanaovana fifidianana demôkratika tamin' ny Septambra 2014, avy eo tamin' ny 2018 sy tamin' ny 2022, noraisin' ireo fikambanana roa ireo, dia nitarika ny famerenana tanteraka an' i Fijy ho ao amin' ny Commonwealth.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Firenena ao Ôseania: Aostralia - Nosy Koky - Fijy - Kiribaty - Nosy Marsaly - Fanjakana Federalin' i Mikrônezia - Naoro - Nioe - Zelandy Vaovao - Palaô - Papoazia-Ginea-Vaovao - Nosy Sôlômôna - Samôa - Tônga - Tovalo - Vanoato.