Nioe
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/01/Flag_of_Niue.svg/241px-Flag_of_Niue.svg.png)
I Nioe dia firenena nosy any amin' ny Ranomasimbe Pasifika Atsimo, any Pôlinezia Andrefana. Any amin' ny 2 400 km avaratra-atsinanan' i Zelanda Vaovao, eo afovoan' ny telozoro foronin' ireo nosy Tônga sy i Samôa ary ny Nosy Koky. Atao amin' ny teny anglisy hoe Niue izy, ary amin' ny teny nioeana hoe Niuē.
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/af/Niue_on_the_globe_%28Polynesia_centered%29.svg/220px-Niue_on_the_globe_%28Polynesia_centered%29.svg.png)
Hitan' ny kapiteny James Cook tamin' ny taona 1774 io nosy io nefa tsy afaka nankeny izy, lasa prôtektôrata britanika ilay nosy tamin' ny taona 1900 ary nakambana tamin' i Zelanda Vaovao tamin' ny 11 Jona 1901.
Tamin' ny 19 Ôktôbra 1974, i Nioe, toa ny Nosy Koky, dia nanao fikambanana malalaka tamin' i Zelanda Vaovao tao amin' ny Fanjakan' i Zelanda Vaovao.
Amin' ny maha firenena mizaka tena azy dia manana ny pôlitikany ivelany manokana izy. Eken’ ny Firenena Mikambana i Nioe nefa firenena tsy mpikambana ao aminy. I Nioe dia miankin-doha amin' ny lafiny ara-toekarena sy ara-pitaovana amin' i Zelanda Vaovao.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Firenena ao Ôseania: Aostralia - Nosy Koky - Fijy - Kiribaty - Nosy Marsaly - Mikrônezia - Naoro - Nioe - Zelandy Vaovao - Palaô - Papoazia-Ginea-Vaovao - Nosy Sôlômôna - Samôa - Tônga - Tovalo - Vanoato.