Zelandy Vaovao

Avy amin'i Wikipedia
New Zealand ((en))
Aotearoa mi
Novely Zelandy
Zelandy Vao ((mg))
Sainan'i Novely Zelandy Mari-piandrianan'i Novely Zelandy
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : « God Defend New Zealand »[1]
Teny ofisialy fiteny anglisy
fiteny maori
Renivohitra Wellington
41°17′S 174°27′E / 41.283°S 174.450°E / -41.283; 174.450
Tanàna lehibe indrindra Auckland
Fitondrana sy governemanta
 - {{{titres_dirigeants}}}
Fanjakana entim-panjaka
{{{noms_dirigeants}}}
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 74
268 680 km²
1,6 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2013)
 - hakitroka
faha 120
4 470 800[2] mpo.
16.6 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Neozelandey
IDH (2012) (mitombo) 0,907[3] (ambony be) faha-6
Sandam-bola dôlara neozelandey (NZD)
Faritr'ora UTC + 12 (fahavaratra + 13)
Hiram-pirenena ''Ho arovan'Andriamanitr anie i Novely Zelandy
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+64

I Zelandy Vaovao dia firenena ao Ôseania. Io firenena io dia tambanosy ahitana nosy roa lehibe (Nosy Avaratra sy ny Nosy Atsimo) ary koa nosy madinika maromaro. Izy io dia voalahatra ho firenena faha-8 finaritra indrindra eto amin' izao tontolo izao. Ny renivohiny dia iWellington. Ny fiteny anglisy sy ny fiteny maôry no fiteny ofisialy. Mety ho soratana hoe Novely Zelandy izy; amin' ny teny anglisy: New Zealand, amin' ny teny maôry Aotearoa.

Anarana[hanova | hanova ny fango]

Ny anarana hoe Novely Zelandy dia avy amin' ny teny frantsay Nouvelle Zélande izay azo adika ihany koa hoe Zelandy Vao. Ilay hoe Zelandy dia avy amin' ny fiteny nerlandey izay mandro faritany iray ao Nederlandy. Ny anaran' i Novely Zelandy amin' ny teny maôry dia Aotearoa (ao-tea-roa) izay midika "Rahona fotsy lava".

Mponina[hanova | hanova ny fango]

Araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2006 dia eo amin' ny 4 143 279 no isan' ny mponina ao Novely Zelandy. Manana razambe eorôpeanina ny ankamaroan' izy ireo. Ny tahan' ny mponina teratany, ny Maôry, dia eo amin' ny 14,6 %n' ny mponina manontolon' i Novely Zelandy. KNy kristianisma no fivavahana arahan' ny Neôzelandey roa tapitrisa.

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

I Novely Zelandy dia ahitana nosy roa lehibe: Nosy Avaratra ary Nosy Atsimo ary koa nosy maromaro. Ny velarantany manontolo dia 268 680 km² miaraka amin' ny Nosy Antipôdy (Antipode Islands), Nosy Auckland, Nosy Bounty, Nosy Campbell, Nosy Chatham, ny Nosy Tokelau ary ny Nosy Kermandec. 1 600 km ny halavan' ny tambanosy lehibe indrindra, ary 15 000 km ny halavan' ny morontsiraka. Ankoatra ny Nosy Avaratra sy ny Nosy Atsimo izay ahitana ny ankamaroan' ny mponina, dia ny Nosy Stewart any atsimon' ny Nosy Atsimo, ny Nosy Waiheke (ao amin' ny hoalan' i Hauraki), nosin' ny Sakambe (any atsinanan' ilay hoala), ny Nosy Chatham (any atsinanan' ny Nosy Atsimo) ary ny Tokelau (any avaratry ny nosy Samôa).

Ny Nosy Atsimo dia ny nsy lehibe indrindra. Voazaran' ny Alpa Atsimo (Southern Alps) ily nosy, ary ny Tendrombohitra Cook no toerana avo indrindra izay manana haavo 3 754 m amin' izao fotoana izao. Nihena folo metatra ny hahavony nohon' ny fihotsahan-tany nitranga tamin' ny 14 Desambra 1991. Tendrombohitra valo ambin' ny folo no manana haabo mihoatra ny 3 000 m.

Ny Nosy Avartratra dia be tendrombohitra ihany koa, sady voamariky ny afotroa ary ny jeôtermia (hafanan' ny tany). Ny toerana avo indrindra dia ny tendrombohitra Ruapehu (2 797 m) izay afotroa mbola velona. Manintona ny mpanao horonantsary ny endri-paritr' i Novely Zelandy, ka nitombo ny mpizaha tany taorian' ny fivoahan' ny horonatsary Lord of the Rings, izay notontosain' i Peter Jackson izay olom-pirenena neôzelandey ihany.

Pôlitika[hanova | hanova ny fango]

I Novely Zelandy dia tani-mpanjaka entin-dalàm-panorenana ahitana demôkrasian' antenimiera, na dia tsy voarakitra ao anatin' ny lalàm-panorenana aza izany. I Elizabeth II no mpanjakavavin' i Novely Zelandy[4] ary ny mpitondra ny firenena.[5]. Ny governora jeneraly no solontenan' ny mpanjakavavy ao amin' io tany io. Ny governora jeneraly dia tendren' ny mpanjakavavy izay toroan' ny praiminisitra hevitra ihany koa[6]. Ny governora jeneraly dia afaka mampiasa ny fahefana omena an' ny mpanjaka toa ny manao fahamarinana ary mametraka minisitra, ambasadaoro ary mpiasam-panjakana lehibe.[7] Amin' ny tranga vitsivitsy, ny mpanjaka dia afaka mandrava ny Antenimiera. Voafetran-dalàmpanorenana ny fahefan' ny mpanjakavavy ary ny governora jeneraly, ka tsy afaka mampiasa ireo fahefany ireo izy ireo raha tsy tohanan' ny kabinetra.

Ny Antenimiera no mitazona ny fahefana mamoa-dalàna, ary izy io dia ahitana ny mpanjakavavy ary ny tranon' ny solontena.

Fifandraisana any Ivelany[hanova | hanova ny fango]

I Novely Zelandy dia mitodika amin' ny firenena demôkratika mandroso ary amin' ireo firenen' ny Pasifika andalam-pandrosoana. Amin' ny lafin' ny pôlitika eran-tany, i Novely Zelandy dia mampiroborobo ny falalaham-pifanakalozana, fandaozana ny fitaovam-piadiana nokleary ary ny famehezana ny fitaovam-piadiana.

Tamin' ny taona 2013, ny minisisitry ny raharaham-bahiny Murray McCully dia nambara hoe

All New Zealand's important relationships are in good repair....With the United States there are hopes of a major breakthrough in terms of trade relations. Sino-New Zealand relations are also subdued, but trade is burgeoning. Japan's decision to join the Trans-Pacific Partnership is a welcome change and New Zealand continues to pursue a free trade agreement with South Korea. The government is pressing ahead with plans to strengthen relations in a number of other areas, including Russia, South Asia, Latin America, the Persian Gulf and especially the South Pacific. It is also alive to the potential benefits of closer ties with countries on the African continent.[8]

izay azo adika hoe:

Salama tsara ny fifandraisana manan-danja rehetran' i Novely Zelandy... Misy fanantenam-pandrosoana lehibe amin' ny lafiny fifandraisana ara-barotra miaraka amin' i Etazonia. Ny fifandraisan' ny sinoa sy neozelandey dia mangiangiana, fa mihamaro ny varotra. Fiovana raisina an-tanandroa ny fanapahan-kevitry Japana nanatevin-daharana ny Fiarahana Ampitam-Pasifika, ary mitady ny hifanaraka amin' i Kôrea Atsimo amin' ny lafiny falalaham-pifanakalozana amin' i Kôrea Atsimo i Novely Zelandy. Manosika ny governemanta amin' ny alalan' ny drafitra hanamafisana ny fifandraisana amin' ny faritra hafa maro, anisan' izany i Rosia, i Azia Atsimo, i Amerika Latina, ny Hoala Persika ary indrindra i Pasifika Atsimo. Mahatsiaro ny tombontsoa vokatry ny fifandraisana akaiky kokoa amin' ny firenen' ny kôntinanta Afrikanina ihany koa izy.

I Novely Zelandy dia nonenan' ny razamben' ny Maôry teo anelanelan' ny taonjato faha-9 hatramin' ny taonjato faha-13. Tamin' ny taona 1760 dia mpitety tany eorôpeanina maro no efa nandalo tao. Nanara-dia azy ireo ireo mpivarotra, ny misiônera ary koa ny mpitady toeram-ponenana. Nisy rafi-pifanakalozana napetraka, indrindra indrindra ao amin' i Northland, ka lasa nanan-karena ary nanam-pahefana ireo foko sasantsasany. Tsy vory ireo mponina maôry tao Novely Zelandy, ka tsy ara-potoana ny fifandraisana amin' ny Eorôpeanina. Tamin' ny taona 1835, dia nanao sonia ny fahaleovan-tenany ireo vondron' olona izay sefon' i Northland, ary neken' i Britaina Lehibe izany fahaleovantena izany.[9]

Tafika[hanova | hanova ny fango]

Ny hery fiarovana neôzelandey (New Zealand Defence Force, Te Ope Kaatua o Aotearoa) dia ahitana ny Tafika an-tanety, ny Tafika ana habakaba-panjakan' i Novely Zelandy ary ny Tafika an-dranomasim-panjakan' i Novely Zelandy. Ny mitondra azy io dia ny Lehiben' ny Hery Fiarovana

Tany ampitandranomasina[hanova | hanova ny fango]

Ireo tany ampitan-dranomasin' i Novely Zelandy

Ny antsoina amin' ny teny anglisy hoe Realm of New Zeland na Tany Anjakan' i Novely Zelandy dia ny ireo tany rehetra anjakan' ny Mpanjavavin' i Novely Zelandy. Izy io dia ahitana ny tanin' i Novely Zelandy, ny Nosy Koky, i Nioe, Tokelau ary ny Tany tsimahaleo tenan' i Ross ao Antartika. Ny governora jeneralin' i Novely Zelandy no solontenan' ny loham-pirenena (Elizabeth II amin' ny maha-mpanjakavavin' i Novely Zelandy azy), ao amin' ny Tany Anjakana. Tamin' ny 2011, ny govenora jeneraly dia i Sir Jerry Mateparae.

Mponina[hanova | hanova ny fango]

Eo amin' ny 4,5 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny mponina ao Novely Zelandy. Ny 72 % n' ny mponina no miaina an-tanàn-dehibe miisa enina ambin' ny folo, ary 53 % no miaina anatin' ny tanàn-dehiben' i Auckland, i Christchurch, iWellington ary i Hamilton. Ambony filaharana ireo tanàna neôzelandey ireo amin' ny lafiny kalitaom-piainana. Ohatra, tanàna fahefatra mora iainana indrindra i Wellington araka ny Fanadihadiana momba ny Kalitaom-piainana Mercey. [10].

Ny faharetan' ny androm-piainan' ny mponina neôzelandey tamin' ny 2012 dia 84 taona ho an' ny vehivavy ary 80,2 taona ho an' ny lehilahy. Heverina fa hitombo ho 85 taona ny androm-piainana amin' ny fiterahana, ary hidina ny taham-pahafatesan-jaza [11] Ny taham-piterahan' i Novely Zelandy, 2,2, dia ambony ho ana firenena mandroso. Midika izany fa tanora ny vahoakan' i Novely Zelandy (20 %n' ny vahoaka no 14 taona na latsaka). Amin' ny 2050, dia heverina fa hitombo ho 5,3 tapitrisa ny isan' ny mponina, ary hiakatra ho 43 taona ny salan' isa isan-taona.

Araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2013, dia 74 %n' ny Neôzelandey no mihevi-tena fa eorôpeanina, ary 14,0 % no milaza ny tenany fa Maôry. Ireo foko hafa lehibe dia ny Aziatika (11,8 %) sy ny vahoakan' i Pasifika (7,4 %). [12]. Nihabetsaka ny karazan' olona nanomboka tamin' ny taompolo vao haingana. Tamin' ny taona 1961, dia 92 % no tahan' ny olona milaza ny tenany ho eorôpeanina ary 7 % no Maôry, ny Aziatika sy ny mponin' ny nosy hafa ao Pasifika dia 1 % monja.[13]

Kolontsaina[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Boky fandalinana[hanova | hanova ny fango]

  • (2005) Bateman, David Bateman New Zealand Encyclopedia, 6th.
  • Sinclair, Keith (2000). A History of New Zealand.
  • Statistics New Zealand. New Zealand Official Yearbook (annual). ISBN 1-86953-776-9 (2010).

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. malagasy : « Ho arovan'Andriamanitra anie i Novely Zelandy »
  2. Estimation juin 2013 sur Statistics New Zealand
  3. [pdf] Rapport sur le développement humaine 2010 des Nations Unies. Tableau 1 p. 167
  4. "Queen and New Zealand". The British Monarchy. Retrieved 28 April 2010.
  5. "Factsheet – New Zealand – Political Forces". The Economist (The Economist Group). 15 Feb. 2005. Tahirin'ny soratra naviana tamin'ny 14 Mey 2006. Novangiana ny 4 Aog. 2009.
  6. "The Governor General of New Zealand". Official website of the Governor General. Retrieved 8 January 2011
  7. Harris, Bruce (2009). "Replacement of the Royal Prerogative in New Zealand". New Zealand Universities Law Review 23: 285–314
  8. Murray McCully, "Keeping Relationships in Good Repair," New Zealand International Review (July 2013) 38#4 p 13
  9. "History". United Tribes of New Zealand. Retrieved 4 August 2011.
  10. "Mercer 2010 Quality of Living survey highlights – Global". Mercer. May 2010. Retrieved 30 April 2010.
  11. Department of Economic and Social Affairs Population Division (2009). "World Population Prospects" (PDF). 2008 revision. United Nations. Retrieved 29 August 2009.
  12. "Ethnic groups in New Zealand". 2013 Census QuickStats about culture and identity. Statistics New Zealand. Retrieved 29 August 2014.
  13. Collins, Simon (October 2010). "Ethnic mix changing rapidly". New Zealand Herald.
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.