Hankany amin'ny vontoatiny

Fiteny malagasy ôfisialy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Teny ofisialy)

Ny fiteny malagasy ôfisialy na teny malagasy ôfisialy dia endriky ny fiteny malagasy ampiasain' ny fitondram-panjakana sy ny fandraharahana ary ny fampianarana eto Madagasikara. Tsy misy lalàna manery mandrakariva ny hampiasan' ny sampan-draharaham-panjakana (ny rantsamangaika ao amin' ny governemanta, ny fitsarana, ny boky firaketana ny raharaham-panjakana, sns) ny fiteny malagasy ôfisialy fa miankina amin' ny mety ho filan' ny vahoaka izany.

Ireo mampiasa n'y fiteny malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ny mpanoratra sy ny mpampianatra koa dia tena mpampiasa ny teny malagasy ôfisialy, ary ny ankamaroan' ny boky natonta hatramin' izay dia amin' ny teny malagasy ôfisialy.

==Ny endrikin'ny fiteny malagasy:== Ny fiteny malagasy ofisialy dia ny endrika manara-penitra amin'ny fiteny malagasy ampiasaina amin'ny raharaham-panjakana, ny fanabeazana, ny fitsarana, ny haino aman-jery ary ny fifandraisana ofisialy eto Madagasikara. Izy no fiteny ampiasaina amin'ny fanoratana lalàna, didy aman-dalàna, antontan-taratasy ofisialy ary taratasy ara-panjakana.

Ny niandohan'ny fiteny malagasy:

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny malagasy dia anisan'ny fianakaviam-piteny Aostroneziana, ary manana tenim-paritra maro miparitaka manerana an'i Madagasikara. Mba hahamora ny fifandraisana sy hampisy endrika iombonana amin'ny fanoratana sy ny fampianarana dia novolavolaina ny fiteny malagasy ofisialy, izay mifototra indrindra amin'ny tenim-paritra Merina. Na izany aza dia mandray voambolana sy fomba fiteny avy amin'ny tenim-paritra hafa koa izy rehefa ilaina.


Araka ny Lalàmpanorenan'i Madagasikara, ny teny malagasy dia iray amin'ireo fiteny ofisialin'ny Repoblika. Ampiasaina amin'ny sehatra rehetra momba ny fitantanan-draharaham-panjakana izy, ary izy no fiteny fampianarana amin'ny ambaratonga maro, na dia mbola ampiasaina koa aza ny teny frantsay sy ny teny anglisy amin'ny sehatra sasany.

Ny fanoratana ny fiteny malagasy ofisialy dia manaraka fitsipi-panoratana sy fitsipi-pitenenana voafaritra. Ampianarina eny an-tsekoly izany ary ampiasaina amin'ny boky, gazety, gazety an-tserasera, onjam-peo, fahitalavitra ary tranonkala ofisialy. Izy koa no endrika ampiasaina amin'ny ankamaroan'ny lahatsoratra ao amin'ny Wikipedia amin'ny teny malagasy.

Tsy misy lalàna mamaritra ny tokony ho endriky ny fiteny malagasy ôfisialy nefa fantatra fotsiny fa mifototra amin' ny fiteny merina (na eo amin' ny voambolana na eo amin' ny fitsipiteny) izay efa nampiasain' ny Fanjakana Merina sy ny fivavahana kristiana teto Madagasikara tamin' io vanimpotoana io ary notohizan' ny mpanjana-tany frantsay sady namporisihin' ny fitondram-panjakana malagasy taty aoriana, indrindra tamin' ilay atao hoe fanagasiana, ka hatramin' izao.

Ankehitriny dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fiarovana ny kolontsaina sy ny maha-izy ny Malagasy ny fiteny malagasy ofisialy. Manampy amin'ny fampitana fahalalana sy ny fifandraisana eo amin'ny samy olom-pirenena avy amin'ny faritra samihafa izy, sady mampiroborobo ny fampiasana ny teny malagasy amin'ny sehatra siantifika, ara-kolontsaina ary ara-teknolojia.

Raha vao miresaka ny amin' ny hoe "teny malagasy" manoloana ny fiteny hafa dia ny teny malagasy ôfisialy no tonga ao antsaina voalohany ary io no anomezana ohatra izay heverina fa mahasolo tena ny endriky ny fiteny malagasy isam-paritra amin' ny ankapobeny, na dia tsy marina mandrakariva izany. Tsy azo lazaina ho endrika manambatra ny fitenim-paritra malagasy rehetra koa izy io satria ny tetikasa saika hirosoana amin' izany dia foana ho azy teny, tsy inona izany fa ilay atao hoe fiteny malagasy iombonana.

Marihina fa tsy ny fiteny malagasy irery no ôfisialy eto Madagasikara fa ao koa ny fiteny frantsay izay voalaza ao amin' ny lalàm-panorenanaha. Nisy koa fotoana naha ôfisialy ny fiteny anglisy teto Madagasikara (taona 2007-2010).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]