Fiteny frantsay

Avy amin'i Wikipedia
Frantsay
Français

Isan'ny mpiteny 83 tapitrisa (fiteny voalohany); mahery ny 220 tapitrisa (fiteny faharoa)
Faritany  Frantsa,  Kanada, Afrika miteny frantsay
Sata Teny ôfisialin'ny Firenena Mikambana, ary fikambanana Afrikanina maro


Fiteny frantsay
- Manga maizina: Tenin-dreny;
- Manga: Tenin'ny fandraharahana;
- Manga mazava: teny koltoraly;
- Maitso: mpiteny frantsay hafa.

Ny fiteny frantsay dia fiteny ao amin'ny vondron'ny fiteny rômana (vondrona avy amin'ny fiteny latina taloha - izay ahitana ny espaniola, italianina, sns.) tenenina any Frantsa sy any ampitan-dranomasina aza sy any any Belzika (any Wallonie ary any Bruxelles), any Monaco, any Kanada (Québec, Ontario, Nouveau-Brunswick) ary any Soisa rômanda (anisan'ny teny ôfisialin' i Soisa ny fiteny frantsay). Ahitana mpiteny frantsay koa ny any Etazonia (indrindra ny ao Louisiane), any Haïti, any Seisela, any amin'ny nosy Maorisy, any Vanoato ary any Italia (Val d'Aoste). Betsaka koa ireo mpiteny frantsay avy aty Afrika, indrindraindrindra ao amin'ny zanatany frantsay taloha (Afrika Andrefana Frantsay, Afrika Ekoatôrialy Frantsay, Madagasikara).

Ny fiteny frantsay dia fiteny faharoa na fahatelo be mpiteny indrindra manerana izao tontolo izao, ohatra ny any amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, firenena be mponina indrindra manerana ny Frankôfônia ary anisan' ny firenena 29 mampiasa ny teny frantsay ho fiteny ôfisialy irery na ôfisialy miaraka amin' ny fiteny hafa, ny ankamaroan' ny firenena ao Afrika Andrefana. Ireo firenena ankehitriny mampiasa ny fiteny frantsay ireo dia zanatany frantsay ary zanatany beljianina taloha. Vitsy ihany ny olona nobeazina tamin' ny fiteny frantsay aty Afrika, indrindra ao Kôtidivoara na any Gabôna; ireo olona ireo dia matetika mipetraka eny ambonivohitra.

Any Frantsa, ny fiteny frantsay dia anisan' ny famantarana ny maha-Frantsay: teny frantsay no teny ôfisialin' ny Repoblika Frantsay (andininy faharoan' ny Lalàmpanorenan'ny taona 1958). Fitaovana ielezan' ny kolontsaina frantsay manerana izao tontolo izao koa io fiteny io. Manana fikambanana manan-tanjona mampanam-boambolana frantsay koa ny fiteny frantsay, tamin' ny didi-panjakan' ny 3 Jolay 1997 mahakasika ny fampananam-boambolana ny fiteny frantsay.

Ny isan' ny mpiteny frantsay manerana izao tontolo izao dia 220 tapitrisa eo ho eo, 72 tapitrisa amin' ireo no mahaihay miteny frantsay (fanakaikezaana nataon' ny Fikambanana Iraisam-Pirenena ny Frankôfônia: 2010), teny fahenina be mpiteny indrindra ny fiteny frantsay. Anisan' ny teny ôfisiaky enina an' ny Firenena Mikambana (miaraka amin' ny fiteny anglisy) ary teny ôfisialy na teny fiasàn'ny fikambanana iraisam-pirenena na fikambanam-pirenena. Noho izy teny ôfisialin'i Frantsa, firenena mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana, teny ôfisialin' ny Vondrona Eorôpeana koa ny fiteny frantsay.

Talohan' ny Ady lehibe voalohany, teny fiasàn' ny fianankaviana nanjaka tany Eorôpa ny fiteny frantsay; ary fiteny ampiasain' ny diplômata rehefa mihaona.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Hai-fiteny[hanova | hanova ny fango]

Literatora[hanova | hanova ny fango]

Teny frantsay manerana izao tontolo izao[hanova | hanova ny fango]