Fiteny ôfisialy

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny ôfisialy na teny ôfisialy dia fiteny manana sata manokana voalazan' ny lalàm-panorenana na ny rijantenin-dalàna hafa fa ampiasain' ny fitondram-panjakana sy ny fandraharahana ary ny fampianarana ao amin' ny firenena na fanjakana na fikambanana iray. Tsy maintsy ampiasain' ny sampan-draharaham-panjakana (ny rantsamangaika ao amin' ny governemanta, ny fitsarana, ny boky firaketana ny raharaham-panjakana, sns) ny fiteny ôfisialy. Misy ny firenena manana fiteny ôfisialy tokana, misy ny manana maro, ary misy ny tsy manana.

I Belzika sy i Loksamborga dia manao ny fiteny frantsay, ny fiteny neerlandey ary ny fiteny alemàna ho fiteny ôfisialy. Fiteny ôfisialy ao Kamerona sy ao Kanadà ny fiteny frantsay sy ny fiteny anglisy. Tsy misy afa-tsy ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialy ao Frantsa. Tsy manana fiteny ôfisialy (faritan' ny lalàmpanorenana) i Etazonia nefa ny fanjakana federaly sasany ao aminy dia nisafidy ny fiteny anglisy. Ny Firenena Mikambana dia manao ny fiteny arabo, anglisy, espaniôla, frantsay, mandarina (sinoa) ary rosiana ho fiteny ôfisialy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]