Fiteny kômôriana
Aller à la navigation
Aller à la recherche
Ny fiteny kômôriana dia karazam-piteny banto tenenina ao amin'ny tamba-nosin'i Kômôro sy any amin'ireo firenena misy Kômôriana mipetraka. Atao hoe shimasiwa na shikomori io fiteny io amin'ny fiteny kômôriana. Isan'ny fiteny banto ny fiteny kômôriana, ao amin'ny vondrom-piteny soahily.
Miseho amin'ny endrika tenim-paritra efatra ny fiteny kômôriana, dia
- ny fiteny kômôriana lehibe (na fiteny singazija), tenenina ao Kômôro Lehibe na Ngazija,
- ny fiteny môheliana (na fiteny simoaly), tenenina ao Môhely na Moaly,
- ny fiteny anjoaney (na fiteny sinjoany), tenenina ao Anjoany na Njoany,
- ny fiteny mahorey (na fiteny simaôre), tenenina ao Maiôty na Maôry.