Tamba-nosin'i Kômôro

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Ny tamba-nosin'i Kômôro

Ny Tamba-nosin'i Kômôro dia nosy maromaro mifanakaiky ao amin'ny Lakandrano Mozambika, eo anelanelan'ny tendro avaratr'i Madagasikara sy ny morontsiraka avaratr'i Mozambika. Efatra ny nosy lehibebe mamorona an'ilay tamba-nosy, dia i Ngazija (na Kômôro Lehibe), i Njoany (na Anjoany), i Moaly (na Môhely) ary i Maôry (na Maiôty). Ny nosy telo voalohany dia mikambana ara-politika ao amin'ny Firaisan'i Kômôro izay mitambatra ho firenena mahaleo tena, fa i Maiôty kosa (izay ahitana ny nosy Grande-Terre sy Petite-Terre), sy ny nosy madinika manodidina azy, dia departemanta frantsay.