Nzwani
Aller à la navigation
Aller à la recherche
I Nzwani na Anjouan dia nosy ao amin' ny tamba-nosin' i Kômôro ao amin' ny Lakandrano Môzambika, izay fanjakana mizaka tena mitambatra amin' ny nosy hafa ka mamorona ny Firaisan' i Kômôro. I Mutsamudu no renivohiny ary misy mponina miisa 327 382 izy tamin' ny taona 2017. Mirefy 424 km2 ny velerany.
Miendrika telolafy izy. Telo ny tendrombohitra miavaka ao amin' io nosy io. I Mtingui (1 575 m) no tendro avo indrindra ao amin' io nosy io. I Nzwani dia antitra kokoa noho i Ngazidja, matevina kokoa ny nofon-tany, nefa ny fitrandrahana tafahoatra azy dia miteraka fikaon-tany lehibe. Ahitana harandriaka ny eny akaikin' ny sisin-dranomasina. I Mutsamudu no renivohiny sady seranan-tsambo lehibe ao aminy.
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
Nosy ao amin' ny Tamba-nosin' i Kômôro: