Afrika Atsinanana

I Afrika Atsinanana dia faritra aty Afrika, mahafaoka firenana afrikana maromaro ao amin' ny tapany atsinanan' i Afrika, matetika manondro ny firenena ao amin' ny Lohasahan' ny Hantsana Lehibe.
Firenena ao anatiny
[hanova | hanova ny fango]Ireto avy ny firenena hita ao amin' io faritra io:
- firenena ao amin' ny Tandrok' i Afrika: i Eritrea, i Etiopia, i Jibotỳ, i Sômalia, i Sodàna Atsimo (i Sodàna an-tsisin-tany dia matetika tafiditra ao koa);
- firenena ao amin' ny Farihy Lehibe ao amin' ny faritry ny Hantsana Lehibe: i Kenia, i Oganda, i Tanzania, i Roanda, i Borondy;
- ny nosy ao amin' ny Ranomasimbe Indiana (amin' ny mpanoratra sasany): i Seisely, i Kômôro sy i Mayotte, ary ny nosy Maskareina (i Maorisy sy La Réunion).
I Madagasikara sy i Malaoy ary i Môzambika dia indraindray tafiditra ao amin' io faritra io koa. I Roanda sy i Borondy, izay eo amin' ny sisin-tanin' ny faritra roa sady zanatany alemàna taloha ao Afrika Atsinanana Alemàna nanjary miteny frantsay, dia matetika ampidirina ao amin' ny faritra Afrika Afovoany.
Jeôgrafia sy tontolo iainana
[hanova | hanova ny fango]Mamakivaky an' ilay faritra avy any avaratra manjany atsimo ny Hantsana Lehibe afrikana, izay ahitana volkano etsy sy eroa (Kilimanjaro, Ol Doinyo Lengai, Tendrombohitra Kenya). Toerana misy farihy malaza koa ity faritra ity: farihy Victoria sy farihy Tanganyika, ary farihy Malawi, izay anisan' ny lehibe indrindra sy lalina indrindra eto an-tany. Ny toetany dia miovaova: ekoatorialy mando, fatrana, somary maina (ao amin' ny Tandrok' i Afrika), hatrany amin' ny faritry ny tany efitra (Ogaden, Afar). Tsy manam-paharoa ny fahasamihafan' ny zavamananaina, araka izay hita ao amin' ny valan-javaboarim-pirenena Serengeti sy Masai Mara ary Ngorongoro, ny faritra fitahirizana gôrila (any Roanda, Oganda, RDK), biby an-dranomasina miaina eny amin' ny haran-dranomasina aty amin' ny Ranomasimbe Indianina.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]I Afrika Atsinanana no Fadrian-jazan' ny Olombelona izay nhitana ny fôsilin' olombelona tranainy indrindra (i Lucy tany Etiopia, ny Homo habilis tany Tanzania). Maro ny sivilizasiôna nalaza fahiny, raha tsy hitanisa ny Fanjakan' i Aksoma (mahafaoka an' i Etiôpia sy i Eritrea ankehitriny), ny Fanjakan' i Nobia, ny Fanjakan' i Boganda, ny Fanjakan' i Karagoe. Nalaza koa ny morontsiraka soahily izay ahitana ny tanànan' ny varotra toa an' i Kilwa sy i Mombasa ary i Zanzibar izay nifandray amn' ny Tontolo Arabo, Tontolo Persana, Tontolo Indiana ary taty aoriana Pôrtogey. Mpanjanatany eorôpeanina maro no nanjakazaka tao: ny Britanika (Kenia, Oganda, Tanzania, Sodàna), ny Alemana (Tanganyika, Roanda, Borondy), ny Italiana (Sômalia, Eritrea), ny Frantsay (Jiboty, Madagasikara, Kômôro). Nahazo ny fahaleovantenany indrindra teo anelanelan' ny taona 1960 sy 1970 ny firenena ao Afrika Atsinanana, fahaleovantena izay matetika narahin' ny fifandonana (Eritrea-Etiôpia, ady an-trano tany Roanda, tany Borondy, tany Sômalia, tany Sodàna).
Kolotsaina sy mponina
[hanova | hanova ny fango]Be dia be ny fiteny ampiasain' ny mponina ao Afrika Atsinanana: indrindra ny fiteny banto, ny fiteny kositika, ny fiteny nilôtika, ary ny fiteny ômôtika). Ny fiteny soahily no lingua franca ao amin' ny ampahany midadasika ao amin' ilay faritra. Ny kristianisma (be mpanaraka any Etiôpia sy ny faritra Banto) sy ny silamo (ao amin' ny Tandrok' i Afrika, ao amin' ny morontsiraka soahily) ary ny fivavahana nentim-paharazana no fivavahana fahita any amin' ilay faritra. Mankarena ny kolontsaina ao: mozika (benga, taarab, afrobeat afrikana tatsinanana), dihy, asa tanana, nahandro (ugali, injera, vary pilaf, sambusa).
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Fizaram-paritra ao Afrika:
Faritra hafa: