Sodàna Atsimo
Aller à la navigation
Aller à la recherche
I Sodàna Atsimo na ny Repoblikan'i Sodàna Atsimo da firenena ao Afrika Atsinanana izay manana renivohitra an'i Djouba. Atao hoe Republic of South Sudan izy amin'ny teny anglisy fa République du Soudan du Sud izy amin'ny teny frantsay.
Taorian'ny fitsapan-kevi-bahoaka natao tamin'ny 9-15 Janoary 2011 no nisarahan'i Sodàna Atsimo tamin'ny Repoblikan'i Sodàna tamin'ny 9 Jolay 2011. Taorian'io anefa dia mbola tsy nifanarahan'ny firenena roa tonta ny famaritana ny sisin-tany manasaraka azy ireo.