Siera Leôna

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Siera Leôna
I Siera Leôna eo anivon' izao tontolo izao
Sarin-tanin' i Siera Leôna

I Siera Leôna dia firenena ao Afrika Andrefana, izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, manana velaran-tany mirefy 71 740 km². I Freetown no renivohiny. Atao hoe Sieraleôney ny vahoakan' ity firenena ity.

Tany lemaka amorontsiraka midadasika no mandrafitra ny vohon-tanin' i Siera Leôna, izay mivelatra amin' ny halavana mirefy 80 km ao afovoan-tany. Anjakan' ny lembalemba sy ny tangorom-bohitra ny ao atsinanana. Maro ny renirano manondraka ny tanin' i Siera Leôna.

Betsaka ny karazam-biby any amin' io firenena io, ka anisan' izany ny antilôpa, ny elefanta, ny voay, ny lalomena ary ny rajako. Ahitana karazam-borona maro koa ao.

Miozolmàna ny ankamaroan' ny mponina any Siera Leôna (60 %), maro koa ny manaraka ny fivavahan-drazana afrikana animista.

Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Siera Leôna, ka anisan' ny volena any ny vary, ny kafe ary ny kakaô. Anisan' ireo tany voalohany mpamokatra vato sarobidy sy diamondra i Siera Leôna.  

Zanatany britanika taloha i Siera Leôna, tamin' ny taona 1961 no nahazoany ny fahakeovan-tenany. Nandrotika an' ity firenena ity ny ady an-trano tamin' ny taona 1990 hatramin' ny taoa 2001. Mpikambana ao amin' ny Commonwealth izy. Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialiny.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany