Diamondra

Avy amin'i Wikipedia
Diamondra mavo

Ny diamondra dia iray amin' ny endrika mineralin' ny karbôna izay mipetraka eny an-tampon' ny filaharan' ny vato sarobidy amin' ny hamafy sy amin' ny vidiny, izay miseho amin' ny endrika maro, ka ny fantatra indrindra dia ny diamondra kristaly fanao firavaka. Anisan' ny endrika isehoan' ny karbônina ny diamondra. Ny diamondra no zavatra voajanahary mafy indrindra (izay manana tondron-kamafy avo indrindra (10) ao amin' ny maridrefin' i Mohs) ary manana fahamoram-pampitan-kafanana ambony koa izy.

Fisivanana diamondra anaty antsanga, any Siera Leôna

Anisan' ny endrika isehoan' ny diamondra koa ny karazana diamondra kristaly tsy tonga fomba, izay mafy dia mafy tokoa sady miloko matroka atao hoe bort; toy izany koa ny vangongon-kristalin-diamondra madinika, miendrika bola, matevina, mafy dia mafy koa ary mahatohitra ny fanimbana, atao hoe ballas; ary ny diamondra mainty izay karazana diamondra matroka, volombatolalaka na mainty, tsy misy fivakisany, atao hoe carbonado. Ampiasain' ny mpanamboatra vatosoa sy vato sarobidy ireo karazana diamondra telo ireo hanapahany sy handamany ny diamondra, izy ireo no mameno ny tavan' ny kapila fitsofana sy fikikisana. Ny endrika mineraly hafan' ny karbônina dia ny grafita sy ny lônsdaleita.

Ny ankamaroan' ny diamondra voajanahary dia niforona tamin' ny toerana manana mari-pana sy tsindry ambony dia ambony any amin' ny 140 hatramin' ny 190 km any ambanin' ny tany. Mivoaka ety ambonin' ny tany ny diamondra rehefa amin' ny fipoahan' ny volkano avy amin' ny lalina izay mihamangatsiaka ka manome vato volkanika misy diamondra sy kimberlita ary lamprôita.

Toerana misy tahirin-diamondra[hanova | hanova ny fango]

Sarintany maneho ny firenena mpamokatra diamondra betska indrindra eran-tany.

Hatramin' izay ka hatramin' ny taonjato faha-16, i India, indrindra ny faritr' i Golkonda, sy i Borneo, no hany faritra famokarana diamondra. Tany India no nalaina ny diamondra tranainy malaza indrindra. Avy eo dia hita ny tahirin' i Brezila izay namatsy ny tsena tandrefana hatramin’ ny faran’ ny taonjato faha-19, rehefa hita ny tahirin' i Afrika Atsimo.

Nanomboka teo, ny ankamaroan' ny diamondra dia avy aty Afrika (62,1 % tamin' ny 1999). Izany toe-javatra izany no niandohan' ny ady maro toa izay nitranga tao Siera Leôna, ka ny tanjona stratejika dia ny fifehezana sy fanaraha-maso ireo tahiry fototra ao amin' ilay firenena mba hamatsiana ny ady.

Tamin' ny taona 2005 dia nahatratra 173,5 tapitrisa karà ny famokarana diamondra eran-tany ary ny tena mpamokatra dia i Rosia, i Bôtsoana, i Aostralia ary ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô izay miantoka mihoatra ny 73 % amin' ny famokarana eran-tany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Metaly sarobidy

Vatosoa