Tsindry (fizika)
Ny tsindry dia habe ara-pizika izay maneho ny fampitàn-kabetsahan-ketsika ao anatin' ny lamina termôdinamika, ary indrindra ao anatin' ny vainga na ny hanaka. Faritana amin' ny fomba mahazatra ho ny vaikan' ny hery ampiasain' ny hanaka isaky ny ventim-belarana ny tsindry.
Ny pascal, izay hafojezina amin' ny hoe Pa no venty andrefesana azy. Ny tsindry dia ranoray amin' ny hery isam-bentim-belarana (1 Pa = 1 N / m2) sy amin' ny angovo isam-bentin-kadiry (1 Pa = 1 J /m3).
Indraindray dia antsoina hoe "tsindry ampiharina" (ampiharin' ny hanaka iray eo amin' ny tavan-dafy) ny hery (antsoina hoe "hery manindry") izay ampiasainy isaky ny ventim-belaran' ilay tavan-dafy, nefa habe ara-tsilo voafaritra eo amin' ny toerana iharany izany, fa ny tsindry kosa dia habe kalera voafaritra amin' ny teboka rehetra ao amin' ilay hanaka.