Hankany amin'ny vontoatiny

Volavelona

Avy amin'i Wikipedia
Volavelona

Ny volavelona na merkiora dia singa ara-tsimia mitondra ny laharana atômika 80 sy ny eva Hg (fanafohezana ny teny latina hoe Hydrargyrum). Metaly miranoka somary marihitra ny volavelona rehefa feno ny fepetra manara-penitry ny maripana sy ny tsindry. Ampiasaina amin' ny fanamboarana tondrofana sy tondrotsindry ary amin' ny batery ny volavelona.

Amin' ny hafanan' ny tontolo manodidina, ny volavelona dia miendrika ranoka manjelatra, miloko fotsy sahala amin' ny volafotsy, izay mihamiova tsikelikely raha avela ho azon' ny rivotra sady lasa etona ary mivaingana izy raha mahatratra 7 640 atmôsfera (na 7 741,23 bar) ny tsindry. Raha avaingana izy dia mitovy amin' ny volafotsy. Levon' ny asidra nitrika sy ny asidra solfiorika marihitra ny volavelona. Mitsonika manomboka amin' ny maripana - 39 °C ny volavelona ary mangotraka amin' ny maripana 357 °C. Manana hakitroka 13,5 izy.

Hita any Slovenia, Italia, Sina, Alzeria, Rosia, Espaina, ary any amin'ny toerana hafa ny fametrahana merkiora. Hita matetika izy io ho mineraly amin'ny endrika cinnabar (cinnabar, HgS) any amin'ny faritra misy volkano taloha. Mahalana kokoa, mipoitra amin'ny endrika teratany ihany koa ny merkiora, miaraka amin'ny fametrahana merkiora teratany maherin'ny 400 izay voarakitra an-tsoratra maneran-tany (hatramin'ny taona 2024).

Any Afrika, any Afrika Atsimo ihany no fitrandrahana merkiora.[1]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]