Metaly
Fiseho

Ny metaly dia zavatra simika mety mampita aratra na hafanana ary mivadi-toetra mba ho lasa katiôna na manao rohy iônika amin' ny zavatra tsy metaly. Amin' ny simia, ny metaly dia zavatra afaka mitondra aratra moramora kokoa noho ny rivotra na ny zavatra hafa toy ny plastika na ny fitaratra. Ao anatin' ny metaly, ny atôma dia mety mivadika katiôna amin' ny alalan' ny fahaverezana elektirôna sy avy amin' ny fangalarana elektirôna hafa any amin' ny atôma manodidina azy mba hanolo iny elektirôna very.
Indreto misy ohatra amin' ny metaly matetika ampiasaina: alimo, andriamby, fanitso, firamainty, firapotsy, tsỳ, varahina, viraty, volafotsy, volamena, volavelona, vy.
