Hafanana

Ny hafanana, amin' ny fiteny andavanandro, dia toetran' ny zavatra iray izay miseho amin' ny alalan' ny mari-pana ambony (raha ampitahaina amin' ny vatan' olombelona) sy ny fahatsapana vokatry ny fifampikasohana amin' ny zaka hafa manana io toetra io. Ao amin' ny termôdinamika (fizika) kosa, ny hafanana dia ny angovo ara-pana mifindra avy amin' ny lamina termôdinamika iray mankamin' ny iray hafa noho ny fahasamihafan' ny mari-pana. Amin' ny fitenenana mahazatra dia manondro ny angovo ara-pana indraindray ny teny hoe "hafanana". Ny angovo ara-pana dia angovo ara-kalaky avy amin' ny atôma mihararetra sy mifandona amin' ny zavatra iray.
Dingana ahitana lamina mihoatra ny iray ny famindrana hafanana, fa tsy toetran' ny lamina tokana. Ao amin' ny termôdinamika dia manampy amin' ny fiovan' ny fiasan' ny toetran' angovo anatiny na ny entalpian' ilay lamina ny angovo nafindra amin' ny endrika hafanana. Ny "hafanana", amin' ny fiteny tsotra kosa, dia heverina ho toetran' ny lamina mitoka-monina.
Ny habetsaky ny angovo nafindra amin' ny endrika hafanana ao anatin' ny dingana iray dia ny habetsaky ny angovo nafindra ivelan' ny lahasa termôdinamika natao sy ny angovo rehetra voatazona ao anatin' ilay zaka nafindra. Mba hahazoana famaritana mazava tsara ny hafanana dia tsy maintsy mitranga amin' ny lalana tsy misy fifindran-jaka izany.
Azo refesina amin' ny alalan' ny fiantraikany amin' ny toetry ny zaka mifandray ny habetsaky ny angovo nafindra amin' ny endrika hafanana. Ohatra, ny fifindran' ny hafanana dia azo refesina amin' ny alalan' ny habetsahan' ny ranomandry miempo, na amin' ny fiovan' ny mari-panan' ny zaka iray ao amin' ny manodidina ny lamina. Ireo fomba fiasa ireo dia ampahany amin' ny fandrefy hafana.
Ny litera Q no eva mahazatra ampiasaina hanehoana ny habetsahan' ny hafanana nafindra amin' ny fizorana termôdinamika. Amin' ny maha habetsahan' angovo nafindra azy dia ny joule (J) no ny venty ao amin' ny rafitra iraisam-pirenena (Système International) ho an' ny hafanana.