Fiteny latina

Avy amin'i Wikipedia
fiteny latina
lingua latina

Isan'ny mpiteny tsy misy intsony: ny teny latina ankehitriny malaza dia ny fiteny italiana, ny fiteny espaniôla, ny fiteny frantsay ary ny fiteny pôrtogey
Faritany  Vatikana, Eorôpa Atsimo ary Andrefana
Sata fiteny ôfisialy ao Vatikana


Ny fiteny latina (amin'ny teny latina lingua latīna) dia fiteny taloha notenenin' ny mponina tao amin' ny faritr' i Latioma, eo amin' ny misy an' i Rôma ankehitriny. Io fiteny io dia avy amin' ny fiteny indô-eoropeana voalohany tahaka ny ankabeazan' ny fiteny notenenina tao Eorôpa. Ny fiteny latina dia avy ao amin' ny Saikanosy Italianina. Na dia lazaina fa fiteny maty aza io fiteny io, ny fiteny rômana izay mbola ampiasaina ankehitriny (frantsay, espaniôla, italiana, romaniana) dia endrika nivoatra avy amin' io fiteny io. Na dia fiteny maty aza izy io, betsaka ny olona mahafehy sy mianatra azy ary mampianatra azy eran' izao tontolo izao.

Mbola ampiasain' ny fiteny ankehitriny amin' ny famoronana voambolana vaovao ny fiteny latina, ary mbola ampiasaina amin' ny fanomezana anarana siantifika ny zava-miaina.

Noho ny herin' ny tafika rômana tamin' ny fotoan' androny ary noho ny fahefana omen' ny fifehezana ny fiteny latina, dia niparitaka eran' ny faritra manodidina an' i Mediteranea ny fiteny latina, izay nipoiran' ny fitenim-paritra nanome ireo fiteny rômana ankehitriny.

Taorian' ny fanjavonan' ny Empira Rômana tamin' ny taonjato fahadimy dia nihavitsy hatrany ny isan' ireo olona nahay ny fiteny latina, ary noho ny havitsian' ny fampianarana dia feno teny avy amin' ny fiteny jermanika sy rômana tamin' izany fotoana izany ny fiteny latina nampiasaina tamin' ny Andro Antenatenany.

Tamin' ny taonjato faha-15 hatramin' ny taonjato faha-18 dia nesorin' ny mpanoratra latina eorôpeanina ny teny avy amin' ny fiteny jermanika sy ny teny avy amin' ny fiteny rômana. Nandritra ny taonjato telo dia nampiasaina ho fiteny iraisam-pirenena sy fiteny iofanana ary fiteny ampiasain' ny siansa ny fiteny latina.

Fanasokajiana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny latina dia avy amin' ny fiteny indô-eorôpeana, na dia misy tsy manaiky io hevitra io aza ny mpandalim-piteny.

Fiparitahana ara-toerana[hanova | hanova ny fango]

Fiteny ôfisialin' ny Fiangonana Katôlika ny fiteny latina. Ny fiteny frantsay no tenin' ny diplômasia any Vatikàna, fa ny fiteny italiana no tena apiasaina any amin' ny firenena vatikanina.

fiteny avy aminy[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny rômana (toy ny fiteny espaniôla, ny fiten'i Ôily, ny fiteny frantsay, ny fiteny italiana, ny fitenin'i Ôka, ny fiteny katalàna, ny fiteny pôrtogey, ny fiteny rômantsa ary ny fiteny romaniana) dia nivoatra avy amin' ny fiteny latina.

Karazana fandravonana ireo fiteny rômana ireo ny interlingua, izay azon' ny olona 900 tapitrisa (totalin' ny mpiteny rômana) avy hatrany.

Fanoratana[hanova | hanova ny fango]

Ny Rômana no namorona ny abidy latina. Ireto ny litera ao amin' ny abidy latina:

A B C D E F G H I K L M N O P Q(V) R S T V X Y Z
a b c d e f g h i k l m n o p q(u) r s t u x y z
a b k d e f g h i na j k l m n o p r s t u na w [ks] y [zz]