Vatomena
Ny vatomena na robisy na roby dia vatosoa manana loko mena mavokely hatramin' ny mena midorehitra, karazany mena amin' ny mineraly kôrindôna (ôksida-na viraty Al2O3). Ny vatomena dia iray amin' ny vatosoa fanaovana firavaka malaza indrindra ary tena mateza. Ny vatomena dia anisan' ny vatosoa tena saro-bidy mahazatra, miaraka amin' ny ametista, ny safira, ny emeralda (na emeraoda) ary ny diamondra.
Ny lokony mena dia vokatry ny fisian' ny atôma-na krôma (ny kôrindôna tsy misy krôma dia ny safira), hatramin' ny 2 % eo ho eo. Sokajina ho vatosoa amin' ny fanamboarana firavaka, izay ampiasana azy, ny vatomena. Manana hamafy 9 amin' ny maridrefin' i Mohs ny vatomena. Amin' ny mineraliny, ny manana hamafy avo kokoa dia ny diamondra (10 amin' ny maridrefin' ny Mohs) sy ny lônsdaleita (iadian-kevitra) ary ny môisanita (9,5 amin' ny maridrefin' i Mohs).
Miankina amin' ny lafin-javatra maro ny sandan' ny vatomena: ny habeny, ny lokony, ny fahadiovany ary ny fomba nanapahana azy. Misy singa hafa tafiditra ao aminy (loto) ny vatomena voajanahary rehetra, ny vatomena voatr' olombelona ihany no mety miseho ho toy ny tonga lafatra. Arakaraka ny tsy fahampian' ny singa hafa ao aminy no mampisy vidiny azy bebe kokoa. Ny vatomena, miaraka amin' ny diamondra miloko, no vato sarobidy afaka mahatratra ny vidiny ambony indrindra.
Toetrana itrandrahana azy
[hanova | hanova ny fango]Any Azia no tena trandrahina ny vatomena ary indraindray koa aty Afrika, any Aostralia ary any amin' ny fanjakana sasany any Etazonia toa an' i Montana sy i South Carolina.
Ny tahiry lehibe dia any Mianmara (na Birmania): 90 % amin' ny famokarana maneran-tany. Misy ihany koa ny any Tailandy, ny any Kambôdia, ny any Vietnamy, ny any Srilanka, ny ao Môzambika ary ny eto Madagasikara.
Ny tahiry lehibe indrindra dia tany Mong Hsu, any avaratra-atsinanana amin' i Mianmara. Ny kristaly avy ao Mong Hsu dia manana loko roa voajanahary: afovoany manopy mainty sy sisiny ivelany mena midorehitra. Any Mogok, any Mianmara ihany koa, dia ahitana manokana ireo vatomena "ram-boromailala" tena tsy fahita firy sy tena sarobidy.