Vatosoa

Avy amin'i Wikipedia

Ny vatosoa dia vato tsara, sarobidy na fanaovana haingo na akora tena mafy na miloko manana ny endrik' ireo vato ireo ary ampiasaina ho haingo. Ny vatosoa dia mety mineraly na vato na akora ôrganika (avy amin' ny zavamanana aina) toy ny perla, ny ambra na ny vatohara), manintona (indrindra amin' ny lokony). Tsy mora simba na miova izy, ary mafy tsara ka mahatanty ny zavatra mety hianjady aminy amin' ny fampiasana na fikirakirana azy tsy tapaka ka tsy mety misy soritsoritra na simba. Ny vatosoa dia matetika tapahin' ny mpiasa vatosoa mba hahafahana mametaka azy amin' ny peratra, amin' ny kavina na amin' ny firavaka hafa. Mety ho voajanahary na namboarin' olombelona ny vatosoa. Ny jemôlôjia no siansa fandalinana ny vatosoa.