Zambia

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Zambia
I Zambia ao Afrika
Sarin-tanin' i Zambia

I Zambia dia firenena amin' ny tapany atsimon' i Afrika Atsinanana, izay mananana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasimbe Indiana sady ahitana farihy maro koa, manana velarana mirefy 752 614 km². I Lusaka no renivohiny. Atao hoe Zambiana ny vahoakan' ity firenena ity.

Lembalemba avo no manjaka ao amin’ ny tanin’ i Zambia. I Zambeze no ony lehibe indrindra any, izay manasaraka an’ ity firenena ity amin’ i Zimbaboe ao atsimo.

Toetanin-jana-pehintany ny toetany any, fa toetany antonony kosa ny amin’ ny faritra avo. Iharan’ ny hain-tany matetika io firenena io. Hivoka anirian-kazo no mandrakotra ny mpahany be amin’ ny tanin’ i Zambia. Maro ireo tahirin-javaboary hita ao Zambia izay iarovana ireo biby an-dalam-paharipahana.

Ao afovoan’ i Zambia no tena ahitana ny ankamaroan’ ny mponina, izay mitsinjara amin’ ny vondrom-poko mihoatra ny fitopolo izay samy miteny banto avokoa, ka ny maro anisa dia ny Bemba sy ny Lôzy ary ny Tônga.

Miankina amin’ ny fitrandrahana varahina ny toekaren’ i Zambia. Ny ankamaroan’ ny mponina anefa misahana asa momba ny fambolena.

Zanatany britanika taloha i Zambia (izay natsoina hoe Northern Rhodesia tamin’ izany fotoana izany), izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1964. Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialy any.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany