Amerika Avaratra

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Americas (orthographic projection).svg

I Amerika Avaratra dia zana-kaontinanta, na kaontinanta iray, araka ny fomba fijery. Ny atao hoe Amerika Avaratra dia fikambanan'ny firenena telo: i Etazonia, i Kanada ary i Meksika, na dia sokajiana ao amin'i Amerika Afovoany aza i Meksika ao amin'ny bokin-jeôgrafia somary efa taloha.

Ny Ranomasimbe Pasifika dia any andrefana, ny Ranomasimbe Atlantika any atsinana ary ny Ranomasimbe Arktika dia any avaratra.

Ny velarantanin'i Amerika Avaratra dia 23,75 tapitrisa kilometatra toradroa; i Kanada no firenena ngeza indrindra raha araka ny velarantany, dia avy eo arahan' i Etazonia (9,63 tapitrisa km²) sy i Meksika (1,97 tapitrisa km²). Ny isan'ny mponiny dia 443,36 tapitrisa; i Etazonia no be mponina indrindra (301 tapitrisa, manana hakitroka 31 mponina isaky ny km²) arahan'i Meksika (107 tapitrisa) sy i Kanada (31 tapitrisa).

Sarin'ny Amerika Avaratra alain'ny zanabolana

Ny tanàna ngeza indrindra ao Amerika Avaratra dia i Mexico (Meksika), i New York (Etazonia), i Los Angeles (Etazonia) ary i Chicago (Etazonia).

Ny fiteny miasa ao dia ny fiteny anglisy any Kanada sy any Etazonia, ny fiteny espaniola any Meksika sy any Atsimon'i Etazonia ary ny fiteny frantsay ao Québec, any atsinanan'i Kanada.

Fizarana jeopolitika[hanova | hanova ny fango]

Any avaratry ny kaontinantan'i Amerika dia misy an'i Amerika Avaratra, mamondrona ny firenena manaraka :

  • Any avaratra atsinananan'ny kaontinanta, ny nosin'i Groenland ("tanimaitso"), nosy faharoa ngeza indrindran'izao tontolo izao (ao aorian' Aostralia). Ara-jeografia, izy io dia ao amin'ny kaontinantan'i Amerika Avaratra, fa raha amin'ny ara-politika, izy io dia faritany mizaka-tenan'ny fanjakan'i Danemarka.
    sarin-tany ara-pôlitika ny amerika avaratra

Mponina[hanova | hanova ny fango]

Tantara'ny mponina[hanova | hanova ny fango]

Tantara prekôlômbiana[hanova | hanova ny fango]

Amerika, zanatany eoropeanina[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Amerika Avaratra[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Amerika Avaratra

Firenena ao Amerika Afovony

Fiteny ao Amerika Avaratra[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny ao Amerika Avaratra dia ireo fiteny tenenin' ny mponina ao amin' io ampahan-kôntinenta io (isan' izany i Amerika Afovoany sy ireo nosy Antilia), izay ny ankamaroany dia nampidirin' ireo mpanjana-tany eorôpeana. Taloha dia niely ny fiteny amerindiana, nefa ankehitriny dia voasolon' ny fiteny eorôpeana efatra lehibe, dia ny fiteny anglisy, ny fiteny espaniôla, ny fiteny frantsay ary ny fiteny neerlandey. Manampy ireo ny fitenin' ny mpifindra monina, indrindra ny fiteny italiana, ny fiteny alemàna ary ny fiteny sinoa maro. Maro koa ireo fiteny kreôly izay niforona.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo kôntinenta

Faritra ao Amerika