Fiteny ao Amerika Avaratra

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny ao Amerika Avaratra dia ireo fiteny tenenin' ny mponina ao amin' io ampahan-kôntinenta io (isan' izany i Amerika Afovoany sy ireo nosy Antilia), izay ny ankamaroany dia nampidirin' ireo mpanjana-tany eorôpeana. Taloha dia niely ny fiteny amerindiana, nefa ankehitriny dia voasolon' ny fiteny eorôpeana efatra lehibe, dia ny fiteny anglisy, ny fiteny espaniôla, ny fiteny frantsay ary ny fiteny neerlandey. Manampy ireo ny fitenin' ny mpifindra monina, indrindra ny fiteny italiana, ny fiteny alemàna ary ny fiteny sinoa maro. Maro koa ireo fiteny kreôly izay niforona.

Ny fiteny amerindiana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny amerindiana dia vondrom-pitenin' ny tompon-tany any Amerika, tenenin' ny vahoaka amerindiana samihafa hatrany Alaska sy Groenlandy any avaratra ka hatrany Tierra del Fuego (frantsay: Terre de Feu) any Amerika Atsimo.

Na dia samihafa aza ny fiteny amerindiana dia azo avondrona ho fianakaviambem-piteny telo, na dia maro ny mpahay teny manohitra izany, dia: ny fiteny eskimô-aleota sy ny fiteny na-dene ary ny fiteny amerinda.

Ny fiteny eskimô-aleota[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny eskimô-aleota dia fianakaviam-piteny ao Grinlandy, ao amin' ny faritra Arktika kanadiana any Alaska sy any amin' ny tendrony atsinanan' i Rosia. Mizara sampana roa io fianakaviam-piteny io, dia ny sampam-piteny eskimô ahitana ireo fiteny inoita sy ireo fiteny iopîka; ny sampana faharoa dia ny sampana aleota izay miavaka mazava amin' io voaloany io.

Ny fiteny na-dene[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny na-dene dia fianakaviam-piteny amerindiana izay tenenina indrindra ao Alaska sy ao amin' ny faritra andrefana ao Kanada, ary ao amin' ny faritra atsimo-andrefana ao Etazonia. Ahitana ny sampam-piteny atapaskana sy ny sampam-piteny eiaka ary ny sampam-piteny tlingita ity fianakaviam-piteny ity.

Ny fiteny amerinda[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny amerinda dia fianakaviam-piteny tsy voaporofo fisiana izay naroson' i Joseph Greenberg. Mamondrona ny fiteny amerindiana rehetra tsy isan' ny fiteny eskimô-aleota sy tsy isan' ny fiteny na-dene. Ny faritra ahitana azy dia any Kanada (sy any Amerika Atsimo koa). Amin' i Greenberg dia mamorona fianakaviambem-piteny ireo fiteny ireo noho izy ireo misy mpisolo tena voalohany ("izaho") ahitana ny renifeo [n-] sy mpisolo tena faharoa ("ianao") ahitana ny renifeo [m-] . Maro anefa ny mpahay teny tsy manaiky ny fisian' izany fianakaviam-piteny izany.

Ny fiteny nampidirina[hanova | hanova ny fango]

Fitenin' ny mpanjana-tany[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny anglisy[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny espaniôla[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny frantsay[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny neerlandey[hanova | hanova ny fango]

Fitenin' ny mpifindra monina[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny italiana,[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny alemàna[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny sinoa[hanova | hanova ny fango]

Fiteny kreôly[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]