Fiteny amerinda

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Faritra misy ireo fiteny amerinda

Ny fiteny amerinda dia fianakaviam-piteny tsy voaporofo fisiana izay naroson'i Joseph Greenberg tao amin'ny bokiny hoe Language in the Americas. Mamondrona ny fiteny amerindiana rehetra tsy isan'ny fiteny eskimo-aleota sy tsy isan'ny fiteny na-dene. Ny faritra itsinjarany dia any Kanada sy any Amerika Atsimo. Amin'i Greenberg dia mamorona fianakaviambem-piteny ireo fiteny ireo noho izy ireo misy mpisolo tena voalohany ("izaho") ahitana ny renifeo [n-] sy mpisolo tena faharoa ("ianao") ahitana ny renifeo [m-] . Maro anefa ny mpahay teny tsy manaiky ny fisian'izany fianakaviam-piteny izany.