Eritrea

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Sainam-pirenen'i Eritrea
Location Eritrea AU Africa.svg
Eritrea - Location Map (2013) - ERI - UNOCHA.svg

I Eritrea dia firenena ao Afrika Atsinanana. I Asmara no renivohiny. Ao amin' ny sisin' ny faritry ny Tandrok' i Afrika i Eritrea. Firenena mpifanolo-bodirindrina aminy ao atsimo i Jiboty, ao andrefana i Etiôpia ary ao avaratra i Sodàna. I Italia sy i Britaina Lehibe ary i Etiôpia no nifandrimby nanjanaka an' i Eritrea nandritra ny taonjato faha-20. Tamin' ny taona 1993 no nahazoany ny fahaleovan-tena taorian' ny tolom-panafahana izay naharitra 35 taona.

Atao hoe Érythrée i Eritrea amin' ny teny frantsay, Eritrea amin' ny teny anglisy, Irītrīyā amin' ny teny arabo ary Értra amin' ny teny tigrinia.

Manana venaran-tany mirefy 117,600 km2 i Eritrea sady misy mponina miisa 6 081 000 tamin' ny taona 2020.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]