Repoblikan' i Afrika Afovoany

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny Repoblikan' i Afrika Afovoany

Ny Repoblikan' i Afrika Afovoany dia firenena ao Afrika Afovoany, manana velarana mirefy 623 000 km2 izy, i Bangui no renivohiny. Atao hoe Afrikana Tanivo ny vahoakan' ity firenena ity. Mamaritra azy ao avaratra i Tsady, ao atsinanana i Sodàna, ao atsimo ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô sy ny Repoblikan' i Kôngô, ary ao andrefana i Kamerona.

Ny Repoblikan' i Afrika Afovoany eo anivon' i Afrika

Tsy manana morontsiraka ity firenena ity fa ahitana renirano maro kosa, ka ny lehibe amin' izany dia i Oubangui, izay manamorona ny sisin-taniny amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, izay azo ifamoivoizana. Lembalemba ny tanin' io firenena io, izay manana haavo eo anelanelan' ny 600 sy 900 m. Rakotra hivoka be ahitra ny tapany avaratra, ny afovoany kosa rakotra hivoka be hazo madinika, ary ny tapany atsimo-atsinanana kosa ahitana ala mikitroka.

Sarin-tanin' ny Repoblikan' i Afrika Afovoany

Ny ankamaroan’ ny Afrikana Tanivo (60 %) dia manaraka ny fivavahan-drazana afrikana animista, fa ny 35 % kosa Kristiana. Ny ankamaroan' ny mponina dia monina any amin' ny faritra andrefana ka ny 65 % amin' izany monina amin' ny tanàna madinika ambanivohitra.

Miakina amin' ny fambolena ny toekaren' ny Repoblikan' i Afrika Afovoany. Manana harena an-kibon' ny tany koa io firenena io ka ny mampidi-bola be indrindra dia ny diamondra izay mametraka an' io firenana io ho anisan' ny mpanondrana diamondra betsaka indrindra. Manondrana hazo sy kafe ary landihazo koa izy.

Zanatany frantsay taloha ny Repoblikan' i Afrika Afovoany, fa tamin’ ny taona 1960 izy dia nahazo ny fahaleovan-tenany. Ny fiteny frantsay sy ny fiteny sangô no fiteny ôfisialiny

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe


Kôntinenta eto an-tany