Landihazo

Avy amin'i Wikipedia
Landihazo na hasy

Ny landihazo na hasy dia tsiraka avy amin' ny zavamaniry izay mamono ny vihin' ny zavamaniry landihazo. Izany tsiraka izany dia ovaina ho kofehy mba hanamboarana lamba. Ny landihazo no tsiraka voajanahary vokarina be indrindra eto ambonin' ny tany, indrindra any Sina sy any India. Hatramin' ny taonjato faha-19 dia ny landihazo no tsiraka fanaova-damba mitana ny laharana voalohany (marikitra ny 50 %n' ny vokatra ilaina maneran-tany).