Aller au contenu

Tsiraka

Avy amin'i Wikipedia
Tsiraka karbônina

Ny tsiraka dia fiforonana fototra, manana endrika toy ny kofehy, amin' ny ankapobeny mitambatra amin' ny endrika amboara, hita ao amin' ny zavamananaina (zavamaniry na ny biby) na akora tsy manana aina (mineraly na metaly sintetika). Misy noho izany ny tsiraka voajanahary sy hy tsiraka namboarina. Matetika ny tsiraka dia ampiasaina amin' ny fanamboarana fitaovana hafa. Matetika ahitana tsiraka ny fitaovana matanjaka indrindra, ohatra ny tsiraka karbônina sy ny pôlietilenina. Matetika ny tsiraka sentetika dia azo vokarina amin' ny fomba mora vidy sy be dia be raha oharina amin' ny tsiraka voajanahary, nefa ny fitafiana vita amin' ny tsiraka voajanahary dia manana tombony, toy ny tsy fisian' ny fanelingelenana, raha mitaha amin' ny tsirana sentetika.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]