Zavamananaina

Ny zavamananaina na zavamiaina dia zavatra voa-janahary izay miaina sy mizatra ny zava-misy. Amin' ny teny anglisy sy frantsay dia atao hoe organism sy organisme (izany hoe, raha ara-bakiteny, "zavatra voalamina") ny zavamananaina. Miaina ka mitombo, mihetsika, miteraka, ary mampiasana angovo ny zavamanaina.[1]
Misy sokajy maro ny zavamananaina: ny biby (marosela), ny holatra (marosela), ny prôtista (marosela), ny zavamaniry (marosela na tokan-tsela), ny bakteria (tokan-tsela), ny arkeôbakteria (tokan-tsela), ny tsimokaretina (tsy misy sela).
Ny zavamiaina dia fitambarana taova, ny taova dia fitambarana tambatsela, ny tambatsela dia fitambarana sela, ny sela dia fitambarana ôrganela, ny ôrganela dia fitambarana môlekiola, ny môlekiola dia fitambarana atôma. Ankoatra izany dia mamorona soperôrganisma ny zavamanaina sasany (ohatra vitsika, vitsikazo, tantely).
Sary[hanova | hanova ny fango]
-
maro loko bitika archaebakteria amin'ny lohataona mafana
-
bitika bakteria Vibrio tasmaniensis
-
bitika protist Hydra sp.
-
holatra Amanita pantherina
-
zavamaniry Angraecum sesquipedale ny vaditsamoina
-
biby Eulemur fulvus ny varika
Citation[hanova | hanova ny fango]
- ↑ Merriam Webster Dictionary - Life
- ↑ "Database of Malagasy Animal Names". Archived from the original on 2018-05-11. Retrieved 2019-07-12.
- ↑ Native Knowledge of Madagascar's Animal and Plant Species