Protista
Ny Protista dia zavamananaina bitika eokariôta izay manana fandaminan-tsela lazaina hoe tsotra, matetika tokan-tsela, nefa indraindray koa maro sela fa tsy misy tambatsela manana asa manokana. Izy ireo dia Eukaryota hafa ankoatra ny biby (Animalia), holatra (Fungi) na zavamaniry (Plantae) an-tanety. Ity vondrona ity dia tena tsy ranoray, na amin' ny fomba fijery ara-taova na ara-batana. Ny prôtista sasany dia zavamananaina aotôtrôfa, mihinana akora mineraly (Protophyta), ny hafa dia heterôtrôfa, mihinana akora ôrganika efa misy rahateo (Protozoa) ary ny hafa dia miksôtrôfa, sady mihinana akora mineraly no mihinana akora ôrganika efa misy rahateo (anisany ny Dinophyta sasany).
Ny teny hoe "protista" dia noforonin' i Ernst Haeckel tamin' ny taona 1866, avy amin' ny teny grika hoe protistos, avy amin' ny hoe protos, "voalohany", ilay biôlôjista dia nametraka ao anatin' io taksôna io ny zavamananaina izay noheveriny ho voalohany indrindra teto an-tany.
Ny Protista dia namorona, ao amin' ny fanasokajiana klasika, ny "fanjakana" fahefatra ao amin' ny "sehatra" Eukaryota, saingy ity vondrona ity dia parafiletika. Ny "fanjakana" telo lehibe hafa Plantae sy Fungi ary Animalia dia voatery nivoatra avy amin' ny eokariôta voalohany tsotra kokoa, dia ny prôtista. Noho izany, ny prôtista dia mamondrona ny firazanana fototra rehetra amin' ny Eukaryota tsy mampiditra ireo "fanjakana" telo lehibe ireo. Izany parafilia izany no nahatonga ny Protista ho taksôna tsy mitombina, nefa mbola ilaina io anarana io rehefa miresaka momba ny Eukaryota tokanètsela.
Ao amin' ny fanasokajiana klasika taloha, ny fanjakan' ny prôtista dia mitsinjara telo amin' ny ankapobeny:
- ny Protozoa, misy ifandraisany amin' ny biby;
- ny Protophyta, misy ifanahafany amin' ny zavamaniry;
- ny Mycetozoa misy fifanahafany amin' ny holatra.
Misy manam-pahaizana momba ny zavamananaina milaza fa ny prôtista no anisan' ny "akora maizina eo amin' ny fiainana”. Ireo zavamananaina ireo dia farafahakeliny 75 % amin' ny karazana ao amin 'ny Eukaryota. Io fisiana fahasamihafana lehibe io dia mahatonga azy ho sokajy mampiditra ny tsy voasokajy rehetra.
Izy ireo no fototry ny tambajotran-tsakafo an-dranomasina, manana anjara toerana lehibe ao amin' ny tsingerina biôjeôsimika izy ireo. Ny prôtista dia ampahany manan-danja amin' ny fitambaran' ny karazan-javamananaina: amin' ny karazana tombanana ho 300 000 eo ho eo, ny 2/3 dia manana tsinjara toerana midadasika, indrindra any amin' ny ranomasimbe, ary manodidina ny 100 000 no mety manana tsinjara toerana voafetra kokoa, izany hoe tsy hita ombieniombieny na dia eo aza ny toeram-pivelomana mety aminy.
Manome tolotra ara-tontolo iainana manan-danja izy ireo, indrindra amin' ny fanadiovana ny rano, ny fifehezana ny etona karbônika sy ny mineraly ao anaty rano, ny jono, ny fanangonana akorandriaka ary ny fihariana anaty rano.