Zimbaboe

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Zimbaboe
I Zimbaboe ao Afrika
Sarin-tanin' i Zimbaboe

I Zimbaboe dia firenena aty Afrika Atsinanana, tsy manana morontsiraka, manana velarana mirefy 390 759 km². I Harare no renivohiny. Mamaritra azy avy a avaratra i Zambia, ao atsinanana i Môzambika, ao atsimo i Afrika Atsimo, ary ao atsimo-andrefana i Bôtsoana. Atao hoe Zimbaboeana ny vahoakan' ity firenena ity.

Lembalemba no manjaka amin' ny vohon-taniny. Ao andrefana dia ahitana tandavan-tendrombohitra izay manasaraka azy amin' i Môzambika. Toetanin-jana-pehin-tany no ao Zimbaboe. Rakotra hivoka mando anirian-kazo ny ankabeazan' ny tany. Ao amin' ny tapany avaratra-andrefana no ahitana ny farihy Kariba izay manasaraka azy amin' i Zambia.

Maro ny karazam-biby hita ao izay arovana amin' ny alalan' ny tahirin-javaboary maro, sady mampiroborobo ny fizahan-tany.  

Saika Banto avokoa ny mponina ao Zimbaboe (ka ny tena maro anisa dia ny Sôna sy ny Ndebele). Mihena isa ny fotsy hoditra. Any ambanivohitra no onenan' ny telo ampahefatry ny mponina.

Miankina amin' ny fambolena, ny fiompiana, ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany, ny taozava-baventy mpanodina sakafo sy mpanao lamba. Anisan' ny trandrahana any ny krôma sy ny nikela ary ny volamena. Ny fotsy hoditra vitsy anisa no mifehy izany toekarena izany.

Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialy any tamin' ny voalohany fa niampy dimy ambin' ny folo hafa izany, dia ireo be mpampiasa toy ny fiteny sôna sy ny fiteny ndembele, ary ny fiteny vitsy mpampiasa kokoa toy fiteny kalanga, ny fiteny ndao (na sôna atsimo), ny fiteny siseoa, ny fiteny sitônga, ny fiteny sangany (na tsônga), fiteny tsoana, ny fiteny venda, ny fiteny nambia, ny fiteny sibaroe, ny fiteny tsôa (izay karazan' ny fiteny tsoana), ny fiteny kôisana, ny fiteny sôtô avaratra ary ny fiteny kôsa.

Zanatany britanika taloha i Zimbaboe (nantsoina amin' ny anarana hoe Southern Rhodesia, "Rôdezia Atsimo") izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1980.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika: Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Foko ao Zimbaboe: Lemba (vahoaka)

Kôntinenta eto an-tany