Faritra Atsimo ao Afrika

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Afrika Atsimo (faritra))
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Sarintany maneho ny Faritra Atsimon'i Afrika

Ny Faritra Atsimo ao Afrika dia ny tapan'i Afrika ao atsimo izay fitambaran'ny firenana sy tany ao atsimon'ny alam-pehibe afrikana. Tanisaina ao amin'io faritra io ireo nosy afrikana ao atsimo-andrefan'ny Ranomasimbe Indiana manodidina an'i Madagasikara (avy ao amin'ny Lakandrano Mozambika ka hatrany ami'ireo nosy Maorisy sy La Réunion) ary ireo nosy afrikana ao atsimo atsinanan'ny Ranomasimbe Atlantika.

Ireto avy ireo firenena ao amin'ny Faritra Atsimo ao Afrika: i Afrika Atsimo, i Angôla (indraindray tafiditra ao Afrika Afovoany), i Bôtsoana, i Kômôro, i Esoatiny (Soazilandy), i Lezôtô, i Madagasikara, i Malaoy, i Maorisy (firenena), i Mozambika, i Namibia, i Zambia (indraindray tafiditra ao Afrika Afovoany) ary i Zimbaboe.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fizaram-paritra ao Afrika:

Faritra hafa: