Sahely

Avy amin'i Wikipedia
I Sahel Avaratra

I Sahel dia ilay faritra miendri-pehinkibo eo anelanelan' ny faritr' i Sahara ao avaratra, sy ny faritra feno bozaka nefa vitsy ala manandrify an' i Sodàna izay toerana manorana ihany ao atsimo. Mitomandavana hatrany amin' ny morontsiraka any Atlantika ka hatrany amin' ny Ranomasina Mena izy. Avy amin' ny teny arabo hoe سَهْل sah'l izay midika hoe "tany lemaka" ny teny hoe Sahel, izay soratana amin' ny fiteny eorôpeana maro hoe Sahel. Miovaova arakaraka ny mpanoratra ny faritra tondroina amin' ny hoe Sahel. Amin' ny mpanoratra sasany dia mahafaoka ny faritra manamorona an' i Sahara izy: misy noho izany ny atao hoe Sahel Atsimo sy ny hoe Sahel Avaratra. Ity farany ity no tiana hotenenina rehefa tsy tovonana ny mpamari-toetra hoe atsimo ilay anarana.

Ireto avy ny firenena voakasik' i Sahel: i Alzeria (tapany farany atsimo), i Senegaly, i Maoritania (tapany atsimo), i Malý, i Borkina Fasô, i Nizera, i Nizerià (amin' ny tendrony avaratra), i Tsady (ao afovoany), i Sodàna (ao afovoany, indrindra fa ao Darfora sy ao Kôrdôfàna) ary i Kapvera. Atambatra amin' izy ireo indraindray i Jibotỳ, i Etiôpia, i Eritrea ary i Sômalia.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fizaram-paritra ao Afrika:

Faritra hafa: