Sahara

I Sahara dia tany efitra lehibe ao amin' ny tapany avaratra amin' i Afrika izay mivelatra avy any amin' ny Ranomasimbe Atlantika hatrany amin' ny Ranomasina Mena, izy no tany efitra lehibe indrindra eto ambonin' ny tany izay manana sakany mirefy 1 500 km sy halava mirefy 5 200 km avy any atsinanana miankandrefana ary velerana 9 000 000 km2, ka ny 200 000 km2 dia ahitana tany azo volena tsindraindray. Firenena iraika ambin' ny folo no mitsinjara an' i Sahara, dia i Marôka sy i Aljeria sy i Tonizia sy i Libia sy i Ejipta sy i Maoritania sy i Malý sy i Nijera sy i Tsady sy i Sodàna ary i Sahara Andrefana.
I Sahara dia atao hoe الصحراء الكبرى al-Ṣaḥrāʾ al-Kubrā amin' ny fiteny arabo, fa ⵜⵉⵏⵉⵔⵉ / Tiniri na Tenere kosa amin' ny fiteny berbera.
Taloha elabe dia faritra mando i Sahara, araka ny sary hosodoko hita tao amin' io faritra io, nefa ankehitriny dia lasa tany efitra mafana indrindra eto amin' izao tontolo izao izy. Natao lalana ho an' ny raharaham-barotra i Sahara taloha ka tandaha-biby mpitatitra no niantoka izany teo anelanelan' i Afrika Avaratra sy i Afrika atsimon' i Sahara. Mandray anjara amin' ny fiharian-karena maneran-tany i Sahara noho ny fitrandrahana ny harena an-kibon' ny tany toy ny fôsfaty sy ny solitany hita ao hatramin' ny taonjato faha-20.
Toetany
[hanova | hanova ny fango]Ny toetrandrony dia voafaritra amin'ny fihetsehan'ny rivotra midina (subsidence) ataon'ny sela Hadley. Any amin'ny faritra eo anelanelan'ny tropika sy ny ekoatera, ny Faritra Intertropical Convergence (ITCZ), ny rivotra mando entin'ny rivotry ny varotra dia manaraka fihetsehana miakatra. Mampangatsiatsiaka ny rivotra ny fiakaran'ny haavo ary mivoaka amin'ny endrika rotsak'orana any amin'ny ekoatera ny hamandoana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Fizaram-paritra ao Afrika:
Faritra hafa: